Andriamanitra maniraka ny mpanompony
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Jolay 2026
Sal 65, 1-4/Hira 2: 1, 3/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/ Hira 307: 1
2 Mpanjaka 1,9 - 18
9 Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin'ny mpanjaka. 10 Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny. 11 Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka. 12 Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny. 13 Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto. 14 Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny. 15 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka. 16 Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa. 17 Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda. 18 Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?Andriamanitra maniraka ny mpanompony
1. Maneho ny heriny (and 12b-14)
Narary i Ahazia mpanjaka ka nandefa olona hanontany an’i Bala-zeboba izy raha ho sitrana. Nandefa an’i Elia anefa Andriamanitra hilaza fa ho faty ny mpanjaka satria nitady fanampiana tamin’ny sampy fa tsy tamin’Andriamanitra. Tonga ny miaramila hisambotra an’i Elia, nivavaka tamin’Andriamanitra izy ka nidina ny afo avy tany an-danitra ka nandringana ny kapiteny sy ny miaramila dimampolo niaraka taminy. Rehefa maniraka ny mpanompony Andriamanitra tsy mamela azy irery, fa maneho ny heriny sy ny fahefany. Ny herin’Andriamanitra no manaporofo fa marina ny hafatra entin’ny mpanompony. An’Andriamanitra ny hery. Ankino aminy ny ady rehetra, fa hainy ny manova ny fiainanao.
2. Mankahala ny fanompoan-tsampy (and 16-17a)
Ny antony nandefasan’Andriamanitra an’i Elia dia satria tsy mba nitodika taminy ny mpanjaka fa tany amin’i Bala-zeboba. Asehon’Andriamanitra fa halany ny fanompoan-tsampy. Noho izany, dia nanambara i Elia fa ho faty izy, ary dia tanteraka izany teny faminaniana nataony izany. Maneho fa mitsara ny fanompoan-tsampy Andriamanitra, ary miantso ny olona hiveriną amin’ny fanompoana Azy. Atsaharo sy ialao ny sampy izay mety mbola mamatotra anao, fa halan’Andriamanitra izany. Aza manana andriamani-kafa afa-tsy Izy irery ihany, fa Izy no Andriamanitra velona mandrakizay.
Fanontaniana:
Inona avy no tokony ho fahaiza-miaina tananao manoloana ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady