Ny asan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Jolay 2026
Apok 4, 11/HF45:1,2/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/ Hira 654: 1
Malakia 3,1 - 7
1 Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky] 2 Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. 3 Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. 4 Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. 5 Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana. 7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?Ny asan’Andriamanitra
1. Maniraka mpanompo (and 1)
« Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako » and 1a. Midika izany fa rehefa te hanao zavatra Andriamanitra dia maniraka mpanompo hitondra ny hafany. Tsy tonga tampoka amin’ny olona ny hafatr’Andriamanitra fa misy olona fidiny hitondra izany. Tamin’ny andron’i Malakia mantsy, ny vahoaka dia tsy niraharaha ny fanompoampivavahana, ka naniraka mpaminany Andriamanitra hampahatsiahy ny marina. Araka izany, ny mpanompon’Andriamanitra izay irahiny dia mampandre ny olona ny sitrapon’Andriamanitra, manitsy izay diso ary manomana ny fon’ny olona hihaona amin’ny Tompo. Tandindon’ny nanirahana an’i Jaona Mpanao Batisa hialoha lalana an’i Jesoa Kristy izany. Ho anao, maneke irak’ Andriamanitra, fa fombany ny miantso sy mifidy olona hanao ny asany.
2. Miantso ho amin’ny fibebahana (and 7)
« Miverena Amiko, dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » (and 7). Izany no antso ataon’Andriamanitra amin’ny olona: fibebahana sy fanavaozana. Ny fibebahana eto dia midika fiverenana amin’Andriamanitra, fanarenana ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Andriamanitra dia miseho ho toy ny afo mpanadio sy savony hanasana lamba. Maneho izany fa Izy no manadio ny fahotana mba hahatonga ny olona ho mendrika. Asan’Andriamanitra ny miantso ny olona ho amin’ny fibebahana; izany rahateo koa ny toriteny voalohany nataon’i Jesoa rehefa nanomboka ny asany izy. Anjarantsika kristiana ny mandini-tena manoloana ny antson’Andriamanitra. Miverena ao amin’ Andriamanitra!
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fanompoanao an’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady