Antso faha-2 ho an’ny Mpitsabo

Ny Sampandraharaha ASA SOSIALY ato amin’ny Departemantan’ny Fananana sy Fampamokarana ary Fampandrosoana sy Sosialy dia misaotra anareo MPITSABO nanohina ny ANTSO voalohany tamin’ny fivoriana hanomanana ny hetsika DIDIPOITRA FAOBE izay karakarantsika FJKM. Ho tohin’izany indrindra, mba ahafahantsika mandrindra sy mandamina ny fanatanterahana dia mamerina miantso anareo sy izay mbola vonona hanatevina amin’ny Fivoriana faha-2 fanomanana izany ASA SOSIALY izany. Hotanterahina ny ALAKAMISY 11 JONA 2026 amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny Foibe FJKM – Efitrano 201 izany fivoriana izany.

Aoka hilampilaza sy hifanentana isika. Hery lehibe ary ho voninahitr’Andriamanitra ny fahatongavantsika maro.

Filan-kevitra : 034 02 482 42