Jehovah Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Jona 2026

Sal 95. 1-5 / Hira 206:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 206:2

Salamo 89,5 - 14
5 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina. 6 Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah, 7 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy? 8 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao. 9 Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao. 10 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao. 11 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. 12 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona. 13 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. 14 Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.

<< Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, iza no mahery tahaka anao, Jehovah ?» (and 8)

Ity andininy raisintsika amin’ny tononkira nataon’i Etana Ezrahita ity dia hahazoantsika mitombo amin’ny fahafantarana an’Andriamanitra miainga amin’ny anarana iantsoana Azy sady manamafy fa Izy dia:

1. Tompon’ny tantara

Ny anarana hoe Jehovah, dia midika hoe: Izaho izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay (Eks 3. 14). Io anarana io dia mampihasinkasina ny maha tompon’ny tantara Azy, izay midika rahateo fa tsy hita fetra Jehovah Izy, ary tsy azo refesina ny maha Izy Azy. Io anarana io no noraisin’i Jesoa koa (Jesoa mira Jehovah no mpamonjy), ary isan’ny manazava ny maha Andriamanitra mahery Azy (Isa 9. 5)!

2. Tompon’ny hery

Ity anarana hoe Andriamanitry ny maro ity dia mampibaribary fa tsy ny tantara ihany no eo an-tanan’i Jehovah fa ny hery ihany koa! Ny tena dikan’io anarana io raha avy amin’ny teny fototra mantsy dia hoe: Andriamanitry ny tafika, izany hoe eo an-tanany ny hery rehetra ary tsy misy tafika mahajoro eo anatrehany! Tsy mahovoka eo anatrehany na izay heverina fa fanjakan-dehibe manana ny tanjany ara-tafika (Sal 33. 16): efa niala maina ny Egyptiana (Eks 15. 4) efa niondrina ny Moabita sy ny Amonita (2 Tan 20. 22) !

3. Tompo tsy manan-tsahala

<< Iza no tahaka anao Jehovah ?>> hoy ny fanotaniana. Io kosa no entin’ny mpanao Salamo mitaona antsika hahatakatra fa tsy misy azo ampitoviana amin’i Jehovah izay heverin’ny jentilisa ho andriamanitra ary tsy misy mahavonjy rahateo no tsinontsinona akory aza (Sal 96.5).

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahafantaranao an’i Jehovah Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny FANAHY MASINA

Talata, 2 Jona 2026

Ny FANAHY MASINA Azontsika ianarana ny momba an’Andriamanitra Fanahy Masina ny mofonainantsika anio. Hitantsika eto…

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Alatsinainy, 1 Jona 2026

Manoloana ny amban’ny Amonita sy ny Moabita, izay sady maro an’isa no fantatra amin’ny heriny,…

Ny tena mpitory ny filazantsara

Alahady, 31 Mey 2026

Ny tena mpitory ny filazantsara 1- Manao ny andraikitra nomena azy Mahatsapa ny fandrosoan’ny Kristina…