Ny IRAKA anirahan’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Jolay 2026
Sal 105 / Hira 18 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 428
Isaia 35,1 - 4
1 Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. 2 Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika. 3 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. 4 Lazao amin'izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]Ny IRAKA anirahan’ny Tompo
1-Hampahery ny tànana miraviravy
Miresaka ny zava-nanjo an’i Edoma ny toko eo aloha, izany hoe Isaia 4. 9-10: « Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra Fa ankehitriny dia teny feno fampanantenana no hampaherezina azy ireo. Tsy tany efitra ngazana intsony, fa efitra mamony. « Ravoravo ny efîtra sy ny tany karakaina ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia… » (Isa 35.2). Toy izany no ampaherezin’ny iraka ny tanana miraviravy, satria tafaverina amin’ny hatsaran-tarehiny ny Israely sy Libanona. Isika mpino, izay manaiky ny iraka anirahan’ny Tompo antsika dia antenaina fa hitondra ny fampaherezana tokoa, ho an’ireo miraviravy tanana. Adidy miandry sy andraikitra apetraky ny Tompo amintsika ny fampaherezana ny hafa.
2-Hampatanjaka ny lohalika malemy
Ny vahoakan’Andriamanitra mihitsy no resahin’ny mpanoratra eto hoe « lohalika malemy » (and 3b). Hatanjahina satria handray ny famonjena avy amin’Andriamanitra mivantana, araka izay nolazain’ny mpaminany hoe: « Lazao amin’ny reraka am-po hoe Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny fanahin’Andriamanitra. Eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo » (Isa 35.4). Manana iraka anirahan’ny Tompo anao ianao, eo amin’ny manodidina anao. Koa hatanjaho ny lohalika malemy, fa Jesoa Kristy no maniraka antsika. Maneke ho mpino vonon-kirahina ianao. Ataovy am-pifaliana izany, ho voninahitr’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Moa vitanao ara-dalana ve ny asa nanirahan’ny Tompo anao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady