Ny FANAHY MASINA
Mofonaina anio: Talata, faha 02 Jona 2026
Sal 100 / Hira 171: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 171: 2
Asan'ny Apostoly 1,1 - 11
1 [Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny, 2 hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny, 3 sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 4 Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana] 5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. 6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? 7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] 8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. 9 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. 10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, 11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.Ny FANAHY MASINA
Azontsika ianarana ny momba an’Andriamanitra Fanahy Masina ny mofonainantsika anio. Hitantsika eto fa ny Fanahy Masina dia:
1. Loharanon-kery
«Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo... » hoy i Jesoa tamin’ny mpianany talohan’ny niakarany tany an-danitra, raha nanafatra azy ireo tsy hiala ao Jerosalema aloha. Ny tena heviny dia hoe ho feno hery mihitsy, izany hoe, ho afaka amin’ny tahotra sy ny hakanosana izay nahatonga azy ireo hihidy aman-trano. Ny Fanahy Masina araka izany dia mameno hery izay rehetra mahazo Azy (2 Tim 1.7).
2. Fanomezana
Ny teny hoe: «Hilatsahan’ny Fanahy Masina… » dia maneho fa tsy zavatra azon’olombelona vidiana na takalozana ny Fanahy Masina, fa tena Andriamanitra no manome Azy, ary fanomezana avy Aminy, araka ny efa nampanantenain’i Jesoa rahateo (Jao 14.16)! Io fanomezana io dia azontsika angatahina, ary raha misy tonom-bavaka tokony asandratsika, dia anankiray amin’ireny ny fangatahana hofenoina ny Fanahy hahazoana hery !
3. Manosika hiasa
«…ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany ». Ny Fanahy Masina mameno ny olona dia tsy mameno hery azy ka tsy hananany tahotra intsony fotsiny, fa tena mahatonga ny olona hihetsika sy hiasa; tsy hitomoemoe-poana fa handeha ary hitory ny Filazantsara amin’ny toerana sy ny sehatra rehetra; hanambara amin’ny mpiara-belona, ny manodidina fa mpamonjy i Jesoa, nitsangana tamin’ny maty Izy ary tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra.
Fanontaniana
Inona no voarainao anio momba ny Fanahy Masina?
Foibe Sampana Sekoly Alahady