Antso ho an’ny MPITSABO
Ny Foibe FJKM, soloin’ny Sampandraharaha Sosialy ao amin’ny Detartemantan’ny Fananana sy Fampandrosoa ary Fampamokarana sy Sosialy tena, dia mangataka ny fiaraha-miasa aminareo mpitsabo isam-pitandremana izay vonona hifanampy amin’ny Asa Sosialy : HETSIKA DIDIPOITRA FAOBE, izay kasaina hotanterahina ny Sabotsy 11 Jolay 2026.
Ho fanomanana ny fiatrehana izany indrindra dia antsoina ianareo MPITSABO isam-pitandremana izay afaka hifanome tanana amin’izany mba ho tonga ao amin’ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY ny Zoma 29 Mey 2026 amin’ny 12 ora atoandro ka hatramin’ny 2 Ora tolakandro.
Filan-kevitra : 034 02 482 42