Olona afaka ny mpino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Mey 2026
Sal 145.18-21 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 16
Galatiana 5,13 - 18
13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana. 14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. 16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.Olona afaka ny mpino!
« Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy »
1- Afaka tamin’ny fanandevozan’ny ota.
Noheverin’ny sasany fa satria olona afaka izy, dia manana fahafahana hanaram-po amin’izay tiany hatao, satria hono efa nohamarinina maimaim-poana. « Aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany« . Afaka tamin’ny fanandevozan’ ny ota sy ny Lalana ny Kristiana, ka tonga mpanompon’i Kristy, manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ary ny asan’ny Fanahy izay mitarika azy no mahatonga azy handà izay rehetra mety ho ota, toy ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fijejojejoana, ny fanompoan-tsampy, ny fanaovana ody ratsy, ny fifandrafiana, ny fifandirana, ny fifampiandaniana…sns. Izay manota dia tsy mbola afaka, fa mbola andevon’ny ota.
2- Mifampanompo amin’ny fitiavana.
Ny fahafahana izay raisina amin’ny alalan’i Kristy dia tsy hafa fa fanafahana amin’ny fanamelohana sy fanandevozan’ny fahotana noho ny firaisana amin’i Kristy. Ary ny firaisana amin’i Kristy no mitarika ny mpino hahay mifandray sy mifanompo amin’ny Kristiana namany. Araka izany dia manomboka eo amin’ny firaisana amin’i Kristy ny fahafahana, ary hita taratra eo amin’ny fifandraisan’ny samy Kristiana izany, amin’ny alalan’ny fiombonana sy ny fifankatiavana. Tsy noho ny amin’ny lalana anefa no manery ny mpino hanompo sy ho tia ny namany, fa noho ny fitiavany an’Andriamanitra izay nanome azy fahafahana. « Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalana rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (Lev. 19. 18).
Fanontaniana:
Mbola misy fisarahana ve eo amin’ny samy Kristiana? Nahoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady