Ny mampiavaka ny olona matoky ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Aprily 2026

Sal 59 / Hira 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731

Deoteronomia 28,7 - 10
7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. 8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. 9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany. 10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.

Ny mampiavaka ny olona matoky ny Tompo

1-Mandresy fahavalo

« Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao » (and 7): Andriamanitra mihitsy no manolotra ny fahavalo ho resin’ny mpanompony. Izy no manolo-tsaina sy mitantana ary miaro. Atosik Andriamanitra hanao fahadisoana ny fahavalo, ho rava ny tetik’adiny ary dia ho raisim-potsiny. Mampianatra antsika ny Baiboly fa ny devoly no fahavalontsika, izay mandeha tahaka ny liona mierona (1Pet5,8). Aoka isika tsy ho variana hiady aman’olona fotsiny fa hifantoka amin’ny tena ady tahaka izay nataon’i Jesoa Ilay nandresy ny asan’Ilay ratsy.

2- Misitraka fitahiana

« Handidy ny fitahiany ho anao Jehovah » (and8): Ny fitahiana dia taratry ny tso-drano avy amin’ny Tompo izay mitondra fiainana, fiarovana, fahombiazana, fandresena, ary fifaliana. Manambara fanekem-pihavanana eo amin’ Andriamanitra sy ny olona. Fananana amby ampy, fanamby fa hanjary avokoa ny ataon’ny tanana, firindrana tanteraka eo amin’ny tontolo sy sehatra hanatanterahana ny fanompoana. Izany no hisitrahan’ny mpanompon’ Andriamanitra. Tsy ataony mitovy ny manompo Azy sy ny tsy manompo Azy (Mal 3, 18).

3- Miaina fisandratana

« Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah » (and 9) Manome toky ny Tompo fa hanandratra ny mpanompony amin’ny toerana ambony ho olona miavaka ka hiaina amin’ny fahamarinana sy fahamasinana.

Fanontaníana

Inona avy ireo mampiavaka antsika mpino amin’ny hafa?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny mampiavaka ny mpandresy

Asabotsy, 18 Aprily 2026

Ny mampiavaka ny mpandresy 1-Mihaino ny toromarika avy amin’ny Tompo « Ary Davida nanontany tamin’i Jehovah… »…

Ny fiainan’ny Mpandresy

Zoma, 17 Aprily 2026

Ny fiainan’ny mpandresy 1-Mifaly amin’ny herin’Andriamanitra « Jehovah o, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka » (and 1a):…

Ny vehivavy mpandresy

Alakamisy, 16 Aprily 2026

Ny vehivavy mpandresy 1-Mihevitra ny tokan-tranony “Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony” (and…