Ny mampiavaka ny mpandresy
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Aprily 2026
Sal 18 / Hira 639 / Vavaka/ Mofonaina / Vavaka / Hira 635
2 Samoela 21,1 - 7
1 [Ny amin'ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin*'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan'] 2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda), 3 ary hoy Davida tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah? 4 Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo? 5 Dia hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra 6 no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy. 7 Fa ny mpanjaka niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly.Ny mampiavaka ny mpandresy
1-Mihaino ny toromarika avy amin’ny Tompo
« Ary Davida nanontany tamin’i Jehovah… » (and1b): Nangataka amin’ny Tompo i Davida, nitady tamin’ny fony, naniry fatratra ahalala ny anton’ny mosary telo taona nisesy. Nihaino an’i Davida ny Tompo ary namaly azy. Nihaino fatratra ny valintenin’ny Tompo koa i-Davida; Ny fototry ny fandresena dia ny fifandraisana lalina amin’ny Tompo. Jesoa dia nifandray tsy tapaka tamin’ny Rainy, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.
2-Manana fahaiza-mihaino
« Inona no hataoko ho anareo…mba hitsofanareo rano ny lovan’i Jehovah? » (and3). Nampahafantarin’ny Tompo an’i Davida fa tsy nahatanteraka ny fianianana izay efa nifanaovana i Saoly (and2). Ilaina araka izany ny fifandaminana mba hialana amin’ny tsiny avy amin’ny olona sy avy amin’ny Tompo. Ny fahefana teo am-pelatanan’i Davida dia nampiasainy amin’ny fahaiza-mihaino. Tsaroana etoana ny fanontanian’i Jesoa hoe: « Inona no tianao hataoko aminao? » Ilaina ny mamantatra ny olana sy ny soso-kevitra avy amin’ny hafa.
3-Mitandro ny fanekena tamin’Andriamanitra
« Fa ny mpanjaka niaro an’i Mefiboseta…noho ny fianianana tamin’i Jehovah nataon’i Davida sy Jonatana » (and7): Nanaiky ny fangatahan’ny Gibeonita i Davida. Narovany anefa ny fianianana izay efa nataony. Zava-dehibe ny fanarahana izay efa nekena fa izany no isan’ny mitondra amin’ny fiarovan’ Andriamanitra antsika.
Fanontaniana
Inona avy ireo paikan-damina narahan’i Davida eto?
Foibe Sampana Sekoly Alahady