Ny fiainan’ny Mpandresy
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Aprily 2026
Sal 68 / Hira171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 627
Salamo 21,1 - 7
1 [Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao! 2 Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao. 3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena. 4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria. 5 Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy. 6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy. 7 Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.Ny fiainan’ny mpandresy
1-Mifaly amin’ny herin’Andriamanitra
« Jehovah o, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka » (and 1a): Ny tena mpandresy dia tsy mirehareha amin’ny heriny, fa mifaly amin’ny herin’Andriamanitra. Ny tena fandresena dia avy amin’ny finoana sy fianteherana tanteraka amin’ny Tompo. Manoatra noho ny mpandresy tokoa isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika (Rom 8,37). Ny mpandresy dia miaina mandrakariva ilay teny hoe: Mifalia mandrakariva ao Amin’ny Tompo (Fil 4,4).
2-Misitraka valim-bavaka sy fitahiana
« Ny nirin’ny fony dia nomenao azy » (and 2), « Fa notsenainao fitahiana soa izy » (and 3). Mijoro vavolombelona i Davida eto fa fantatry ny Tompo avokoa ireo faniriana sy vetsovetso avy any am-pon’ny mpino. Henon’ny Tompo ihany koa ireo hataka notononina imolotra. Hoy Jesoa hoe: « Mangataha dia omena ianareo, mitadiava dia hahita ianareo, … Fa izay rehetra mangataka no mahazo ary izay mitady no mahita » (Lio 11, 9).
3-Mijoro vavolombelona
« Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany (and 4), « Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy » (and 6). Fisaorana atao rehefa tafaverina avy any an-tafika no hita eto. Tsy voatanisa tokoa ireo fandresena omen’ny Tompo antsika. Manana adidy hijoro vavolombelon’ny Tompo isika manomboka eo amin’ny sehatra misy antsika ka hatramin’ny faran’ny tany (Asal,8)
Fanontaniana
Mba tantarao ary izay efa nataon’ny Tompo taminao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady