HAFATRA ALAHADIN’NY SAF/FJKM 2026

Ry Havana
Misaotra an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina isika, maniraka hatrany ny
SAF/FJKM « hitady ny mahasoa ny maro, mba hovonjena izy » araka ny I Kor 10 :33
Isaorana ny fiangonana manontolo mitondra am-bavaka amin’izao Alahadin’ny SAF/FJKM
izao, sy manohana amin’ny endriny maro samihafa.
Iaraha-mahalala fa mbola miatrika lokan’ady lehibe ny firenena amin’ny fanatsarana ny
fiainam-bahoaka. Adidy efa noraisin’ny Fiangonana FJKM ny hitondra anjara biriky
amin’izany tamin’ny nananganan’ny Synoda Lehibe ny Sampan’Asa Fampandrosoana, roa
amby dimampolo taona lasa izao.
Be tokoa ny vita, ary nanorina zava-tsoa maro ho an’ny firenena ny fiangonana FJKM
amin’ny alàlan’ny SAF/FJKM. Saingy be noho izay vita tsara ny “lokan’ady” atrehan’ny
firenena ankehitriny, ka hiantsoan’ny Tompo ny Fiangonana hahery sy hijoro hatrany araka
ny anirahany azy.
Efa miasa amin’ny fanatsarana ny velontena sy ny fiahiana ny maha olona tokoa isika FJKM,
ary mpisehatra itokisana amin’izany. Singanina koa ny fanamafisana ny fanatsarana ny
tolotra ara-pahasalamana, mampihena ny elanelana eo amin’ny faritra an-tanàn-dehibe sy
ambanivohitra, ireo asa vonjy voina ary fanarenana ny maha olona ; toy izany koa ny
firotsahana amin’ny tontolo iainana, indrindra ny asa momba ny fiatrehana ny fiovan’ny
toetr’andro.
Miova malaky hatrany koa kanefa ny toe-javatra ka mivonona koa isika hivoatra amin’ny
tolotra ilain’ny firenena ka hahatsinjo ny 10 taona, 20 taona, 50 taona ho avy . Ikendrena
indrindra ny tanora sy ny zaza izany.
Anentanana hatrany ary ny hanetsehana ny programa Volontera FJKM izay tokony ho ivo
ifaharan’ny asa hanakatra ny fiaraha-monina rehetra, ka hanomboka amin’ny fampivoarana
ny kristiana FJKM isa-pitandremana.
Hisarihana ny saina manokana fa ny antsasaky ny olom-pirenena Malagasy dia
anelanelan’ny 18 sy 20 taona. Ny 47% n’ny Malagasy dia latsaky ny 15 taona. Ny 78%
n’ireny tanora ireny dia any amin’ny tontolo ambanivohitra.
Hery lehibe ho an’ny firenena ireny, rehefa ampiasain’ny Tompo ny fiangonana hamolavola
azy hatrany “ho araka ny endrik’Andriamanitra”.
Eo ny momba ny tanora fa mbola eo koa fiahiana ny zaza, ny vehivavy, ireo havana
mitondra fahasembanana sy ireo sokajy mafero hafa.
Fa asa lehibe indrindra koa ny momba ny herim-pamokarana sy ny fampananana asa.
Tsy efan’ireny ny asa atao eto amin’ny SAF/FJKM fa tsy maintsy mampivelatra fiaraha-miasa
maro lafy, amin’ny seha-panjakana, ny firaisamonimpirenena, mpiara-miombon’antoka
iraisam-pirenena, sy ny hafa.
Kanefa hatrany hatrany, amin’ny fotoana toy izao dia misaotra ny Fiangonana manontolo
izay manohana ny asa ka maha toy izao ; ary manentana hatrany ny fifanomezan-tànana
amintsika; indrindra fa ny fitondrana am-bavaka; fa ny “hery anatin’ny fiangonana” no

hanamafy fototra hatrany ny asa, izay mbola tena ilain’ny firenena mba hiarovana sy
hamerenana ny “fahamendrehan’ny olombelona sy ny firindran’ny fiaraha-monina”, fa izany
no sitrapon’Andriamanitra anirahana antsika.
“Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo”. Amena.