FIFA / Fiofanana sy Alahady iombonana 2017.

 

Ho an’ny Mpitandrina sy

ny  Biraon’ny Fiangonana, ary

ny Vaomieran’ny Fananana  FJKM

« Koa amin’izany miambena ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”

(Mat 25:13).

Fiantsoana 

Araka ny fanapahakevitry ny Mpiandraikitra  Foibe FJKM , sy efa hitantsika rahateo ao anatin’ny Perikopa FJKM , dia isaky ny Alahady faharoa amin’ny volana Novambra no hitondrana ambavaka sy hanohanana ny Asa Fitantanana ny Fananana na FIFA FJKM, ka ny amin’ity taona ity dia ny Alahady 12 Novambra 2017.

Koa ao anatin’izany fankalazana izany dia hisy ny FIOFANANA omen’ny Foibe FIFA ho an’ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fiangonana ary  Vaomieran’ny Fananana, isam-pitandremana  eto Antananarivo sy ny manodidina ,Izay  hatao ny Alahady 29 Oktobra  2017 , amin’ny  3 ora hariva , ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana .

Zava-dehibe ny fiatrehana izany mba handraisana ireo toro-marika sy tsara ho fantatra , mba hahafahana mikarakara sy manao izay maha ara-dalàna ireny tany na trano samihafa antsika FJKM ireny.

Mampahatsiaro antsika Fiangonana ny tokony hisian’izany vaomieran’ny fananana izany ary entano izy ireny mba ho tonga amin’io fotoana io.

 

 Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola

Ramatoa Andry Nirina Velosoa

 Tale FIFA

RAKOTONDRABE Ndrianja  , Mpitandrina 

………………………………………………………………………………………………………………..

FANDAHARANA IOMBONANA 

ALAHADY 12 NOVAMBRA 2016

Lohahevitra : “Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino”

Fiarahabana Apostolika

Sal : 119:164-168

Hira :171

Vavaka fiderana

Sitrapon’Andriamanitra : Sal  25:2-3 “Sambatra ny mahitsy lalana ….

Hira :512:1

Fifonana:

Hira 409

Teny famelan-keloka :II Kor 6:2 ,Jer 31:3-4 “Sambatra ny olona izay voavela ny helony … »

Hira :FF 34

Fanekem-pinoana laharana faha.2

Raharaham-piangonana

Rakitra:Antoko Mpihira na Sampana. Na Hira 306- Hira  307- Hira  305.

Fanolorana ny rakitra – Hira :441 :1;3

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :

– Hira :761:1

– Vavaka :

– 5mn ny Sekoly Alahady: Mik 7:7-10.

– Hira : 452:1

– Vakiteny : Mik 7:7-10 Mat 25:1-13 Fil 3:17-21

Hira :177:1

Toriteny :

Vavaka fangatahana + Rainay  izay any an-danitra …..

Asa Vavolombelona

Hira 336:2

Tsodrano:I Pet 5:10-11.

Hira 336:1

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

……………………………………………………………………………………………………………..

 

TORITENY

Lohahevitra:“Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino”

Mik 7:7-10 Mat 25:1-13 Fil 3:17-21

Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora

( Mat 25:13).

 Firesaky ny olona matetika ny filazana fa ; efa ela ihany no nandrenesany izany hoe ho avy ny Tompo, kanefa dia tsy mbola hitany aloha hatramin’izao, ary efa ho 2 000 taona mahery izany no nandrasana , kanefa tsy hita. Raha tsy mitandrina isika kristiana dia mety hilatsaka amin’izany fakampanahy izany koa, fa ny tena vavolombelona mino kosa anefa dia miandry ny Tompo hatrany ary sady miandry isika no:

Fizarana voalohany: « Miambina »  (Mat 25:13 a).

Ny mahavariana eto dia tena samy niandry ny mpampakatra izy 10 vavy ireto, raha jerena ivelany izany dia nitovy ny nataony. Saingy niavaka kosa ny virjiny hendry satria nanana solika fitaiza, niambina tsara , ka rehefa tonga ny mpampakatra dia avy dia vonona. Fa ny virjiny dimy adala kosa , dia mba niandry ihany , saingy tsy nisy fiambenana satria , lany ny solika, ka mamantonalina vao hitady mpivarotra.

Manamafy izany fiambenana tokony hatao izany rahateo i Mika Mpaminany   manao hoe : “ Fa izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, Eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy”. ( Mik 7:7) , izay na dia tao anaty faharavana aza ny Firenena nisy azy, dia mbola niambina mandrakariva ; ka nanandrandra ny Tompo. I Jesoa mihintsy no mamerimberina amintsika ankehitriny manao hoe:”miambena!!”

Ry Havana, betsaka no simba sy very fotsiny  ny fananan’ny Fiangonana FJKM , isika tsirairay avy isaky ny Sampana na Vaomiera , na  Fiangonana reniny, na Synodamparitany no andrasan’ny Tompo hiambina ny tenantsika sy hiambina ireny fananana ireny, dia ho tsara sy mamirapiratra indray, ireny ;, ary homena voninahitra amin’izany ny Tompo.

 Fa tsy ny miambina  ihany no tokony hatao, fa miandry ny Tompo koa isika satria:

Fizarana faharoa : Satria tsy fantatra  ny ora (Mat 25:13 b).

 Tsy mbola nisy finday tahaka ny ankehitriny tamin’izany, ka mba afaka anontaniana hoe : Aiza ho aiza ianao? Efa akaiky ve mba mora hiomanako ?, fa reraka teo ampiandrasana ny maro, satria tsy voafaritra mialoha ilay ora marina. Ary fiavian’I Kristy rahateo dia tsy azontsika anontaniana Azy mialoha manao hoe: “Taona firy ?Ora firy? Minitra sy segondra faha firy Ianao no ho tonga ry Tompo?” Fa tampoka tahaka ny fiavin’ny mpangalatra izany ka mila vonona mandrakariva isika.

 Ary dia rehefa tonga izay ora tsy fantatra ahatongavan’ny Tompo , izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy”. ( Fil 3:21). Dia ho feno sy tonga lafatra ny fifaliantsika mandrakizay miaraka amin’i Kristy Jesoa ilay Mpamonjy antsika.

 Ry Havana malala, maro ireo azon’ny fakampanahy tahaka an’i Jodasy mba “haka kely” na mody” mindrana” ny fananan’ny  Fiangonana ,(Jao 12:6) kanefa dia vantanina fa halatra izany , ka mila ibebahana , satria mbola hadinin’ny Tompo amin’izany , amin’ny andro sy ny ora izay voatendrin’Izy tenany irery ihany  izany .

FAMARANANA

Maharitra miandry ny Tompo ve ianao? Miambena mandrakariva àry, satria tsy fantatrao na ny andro na ny ora hiavin’ny Tomponao.

 

 RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja, Mpitandrina 

Tale Fitantanana ny Fananana. (FIFA ,Foibe FJKM).

.

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV