Fametrahana tomponandraikitra
Fanompoampivavahana sy fanolorana ireo olom-boafidy

Notanterahina ny Alahady 17 Oktobra 2021 nanomboka taminâny 10 ora maraina teny aminâny Coliseum Antsonjombe ny Fanompoam-pivavahana fanolorana sy ho fitondrana amam-bavaka ireo tomponandraikitra vaovao voafidy ho aminâny Taom-piasana 2021-2025 ;
Nitarika ny fotoana : ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy BMF
Nitoriteny : Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina , Filohanâny FJKM .
Fintinâny Toriteny : (MATIO 22 :1-14)
1-Manasa ny olona rehetra hiditra aminâny fanjakany Andriamanitra
2-Mety hisy anefa aminâireo tafiditra no horoahana , satria
3-Misy ny fepetranâAndriamanitra : ny antsonâAndriamanitra dia malalaka fa tsy gaboraraka
ASA VAVOLOMBELONA :
Fametrahana tomponandraikitra :
Notarihanâny Mpitandrina RABEVITA Saina , Filohan âny Synoda XIX , izay natao tany Sambava ny fanolorana sy fandraisan-tĂ nana ireo olom-boafidy . Mialohanâizany no namakiana ny anarany sy ny andraikiny avy :
-Dr IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina , Filohanâny Biraonâny Mpiandraikitra Foibe FJKM
-Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Filoha Mpanampy Mpitandrina ,BMF
– Andriamatoa RAZARASOA Timoty , Filoha Manampy Laika ,BMF
-Ramatoa RANDRIANJA Voahangy , Mpitahiry vola ,BMF
-Andriamatoa RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa ,Mpitandrina ,Mpanolon-tsaina ,BMF
-Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri , Mpanolo-tsaina Laika ,BMF
Natolotra ireo BMF taminâio fotoana io koa ny Rakitsoratry ny SYNODA LEHIBE XIX , fitaovana enti-miasa mandritra ny taom-piasana vaovao indray .Taorianâizay dia novakiana ny anaranâireo olomboafidy ho Mpiandraikitra Foibe miisa100 mianadahy , ka ny 50 Mpitandrina ary ny 50 Laika sy Mpampianatra .
Ny Filohanâny FJKM kosa taorianâizay no nanolotra ireo Mpanatanteraka vao voafidy tao anatinâny Fivorianâny Mpiandraikitra Foibe .Tsy iza izany fa ny :
–Sekretera Jeneralinâny Foibe FJKM : ny Mpitandrina RAKOTONDRAINY Jaona
–Tonianâny Departemantanâny Fiangonana : ny Mpitandrina ROBSON RADOLALAINA Johary
–Tonianâny Departemantanâny Sekoly FOIBE FJKM : Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina
-Tonian âny Departemantanâny Mpiasa sy Vola FOIBE FJKM : Ramatoa ANDRY NIRINA Velosoa
Natolotra taminâizany fotoana izany koa ny Mpikambana FiFaMpi, FiFa Fi, ny mpandinibola FOIBE FJKM . Notolorana fisaorana sy fankasitrahana feno ireo Birao SL XIX, ny vaomieranâny fifidianana, ireo BMF teo aloha , ny MF teo aloha ,ny SJ teo aloha . Notsipihanâny Filoha tsara fa ny olona mifandimby toerana dia tsy mpifahavalo fa mpiara-mitantana anatin’ny âny toe-panahy feno firahalahiana . Nitodika taminâireo Ray amandreny ara-panjakana vory lanina taminâio fotoana io koa ny Filoha ka naneho ny fifalianâny fiangonana noho ny fanotronanâizy ireo izao fotoan-dehibe izao .Vahoaka iray ihany no hiarahana hampandrosoana , kanefa na izany aza aoka tsy hatao fitaovana politika ny fiangonana FJKM.
VINANâNY FILOHANâny FJKM
Tarigetra : Mbola ho firenena kristiana ihany ny firenena Malagasy amin’ny taona 2118 .
Teny faneva : « Miorena tsara, aza miova » 1 Kor 15.58b
Vina : « Vontosy Filazantsara i Madagasikara ,Filazantsara manova ny tantara »
« Communes » 407 no nokasaina hanorenana Vondronâolona mpiara-mivavaka (VOM) , fa araka ny tatitra voaray dia 467 no isanâny voatsangana nandritra iny taom-piasana lasa iny , miampy fokontany 39.Manampy ireo ny VOM tany Moroni Comores, Seychelles, Canada âŠ
Hery manova ny tantara ny Filazantsara .Hamafisina orina ny fitoriana ny Filazantsara ,ho tarazonâny FJKM manomboka izao ny fisianâny atao hoe : « Herinandronâny fianakaviana » . Atsangana ny « vaomieranâny fananana », ny sampandraharahanâny « fampamokarana » . Sekoly 111 vaovao no ezahana aorina mandritra ny efatra taona , ka ny FPMP tsirairay dia hanorina trano sekoly 1/Taona . Aparitaka ny Boky « Soratra masina iainana » manerana ny Sekoly FJKM » . Hovitaina ny trano roa nohavaozina any Imerimandroso Ambatondrazaka . FJKM mafy orina aminâny fitantanana . Hatsaraina ny « Asa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao » (AFIFAB). Atsangana ny TV Fahazavana , ny Hopitaly FJKM,MFEE any aminâny SP miisa 37 mahakasika ny fambolena hazo fihinamboa .Ampidirina aminâny taranja ampianarina any aminâny seham-pitaizana FJKM ny fandalana ny fahamarinana handresena ny tsy fahamarinana , ny fitiava-tanindrazana, ny fikajiana ny tontolo iainana .
Nanentana ny Fiangonana hatrany ny Filohanâny FJKM fa rehefa mivavaka ny fiangonana dia asehonâAndriamanitra ny Voninahiny .
Ho anâAndriamanitra iery ny Voninahitra
Nangonin-dRtoa SAHONDRAMALALA Vololona