Vavaka ataon’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Oktobra 2026

Sal. 102. 1. 2 / Hira 438. 1, 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 12

Jaona 17,20 - 26
20 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; 21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. 22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: 23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. 24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao. 25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy. 26 Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.

Vavaka ataon’i Jesoa Kristy

1- Mikendry fiombonana

« Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, … » (and. 21). Tamin’ny vavaka nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianany no nangatahany tamin’ Andriamanitra Ray ny hananan’ny mpianatra izay mino Azy fiombonana. Ary ny modelin’ny fiombonana amin’izany dia ny fiombonan’ny Ray sy Jesoa Kristy. Fiombonana amin’ny fitiavana marina. Tahaka izany koa ny mpino, amin’ny vavaka rehetra atao dia vavaka mikendry fiombonana amin’ny fitiavana marina, fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy. Vavaka mikendry fampiombonana fa tsy fisarahana; fiombonana sy fifankatiavana tsy hay sarahina. Izany no vavaky ny mpino sy ny fiainany.

2- Mikendry fiainana mandrakizay

« Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro (and. 24). Faniriana lalina tamin’i Jesoa Kristy ny hiarahan’ny olona mino Azy any amin’ny fiainana mandrakizay. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy. Sarobidy amin’i Jesoa Kristy ny fanomezana avy amin’ny Ray. Noho izany, tsarovy mandrakariva fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra no mahatonga anao hino an’i Jesoa Kristy. Fanomezana mitarika ho amin’ny fandovana ilay voninahitra lehibe, dia ny fiainana mandrakizay izany. Koa raha mivavaha ianao, mivavaha mba handovan’ny mpino namanao fiainana mandrakizay fa izany no sitrak’i Kristy.

Fanontaniana:

Inona no tonom-bavaka ataonao matetika ho an’ny hafa?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny olona matoky an’Andriamanitra

Asabotsy, 17 Oktobra 2026

Ny olona matoky an’Andriamanitra Miankina Aminy « Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-jaza-mahory aho, mampandry ahy…

Ny fivavahana ho an’ny mpitondra

Zoma, 16 Oktobra 2026

Ny fivavahana ho an’ny mpitondra 1- Miantoka ny fitondran-tenany « Mivavaha ho anay; fa matoky izahay…

Ny fomba fivavaka

Alakamisy, 15 Oktobra 2026

Raha mivavaka ianao dia: 1. Aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy Nanan-danja teo amin’ny fiaina’ny…