Ny tena mpanompon’Andriamanitra:
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Aprily 2026
Sal 66 / Hira FF.1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 543
Daniela 3,24 - 30
24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. 25 Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia at?. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. 27 Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy. 28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. 29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. 30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.Ny tena mpanompon’Andriamanitra:
1-Tsy manaiky hiankohoka amin’ny sampy
Tantara momba an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego no hita eto, Efa fantatra fa izay tsy manaiky hiankohoka hivavaka amin’ilay sariolona volamena dia hatsipy ao amin’ny lafaoro misy afo mirehitra (and11). Tsy nanaiky hiankohoka izy telo lahy satria voarara ao amin’ny didy folo ny fiankohofana toy izany. Nijoro hatrany izy ireo, aleony miatrika lafaoro mahamay toy izay handika ny didin’Andriamanitra. Jesoa dia tsy nanaiky hiankohoka velively tamin’ny devoly na dia notambazana izao rehetra izao aza (Mat 4,8-10). Ilaina ny mijoro hatrany hatrany.
2-Manana finoana matanjaka
« Isaorana anie Andriamanitra… Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy… » (and 28). Natoky, niantehitra, nanolotra ny tenany ho eo ambany fiarovan’Andriamanitra izy telo lahy: « Indro ny Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra… » (and 17). Tao amin’i Jesoa io fahasahiana hiatrika fahafatesana io ary ny fanantenana tanteraka fa hibata fandresena miezinezina manoloana ny fasana sy ny fahafatesana. Ilaina ny finoana miredareda, tsy manaiky lembenana amin’ny fisedrana.
3-Mivoaka mpandresy
« Nahita ireo lehilahy ireo fa tsy manankery hampaninona ny tenany akory ny afo » (and 27). Tsy nanankery ny lafaoro mahamay, mahery ny Tompo, nanaiky ny fahefan’ny Tompo ny mpanjaka, niova ny fiaraha-monina.
Fanontaniana
Inona avy ireo fisedrana mila resentsika kristiana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady