Ny fahefana omen’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Aprily 2026
Sal 121 / Hira 476 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 298
Apokalypsy 2,24 - 29
24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]Ny fahefana omen’ny Tompo
« Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny Jentilisa »(and 26)
1-Hoan’izay vonona handresy
Jesoa no tompon’ny fahefana rehetra. Tsy miasa irery Izy fa mizara andraikitra. Tia antsika tsy misy fepetra Izy. Ireo izay omeny andraikitra manokana kosa dia tsy maintsy miatrika ady, mandalo fitsapana, misedra fizahan-toetra. Mitaky finoana izany, mila fahatokiana ihany koa. Ilaina ny mandresy ireo sakantsakana samihafa. Tsy mahazo miantehitra amin’ny herin’ny tena fa feno fanentren-tena eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Izay matoky an’i Jesoa, mitandrina ny Teniny, mandray am-pinoana ny fandreseny teo amin’ny hazo fijaliana dia ho mpandresy tahaka Azy. Ary izay maharesy dia omeny fahefana amin’ny Jentilisa.
2-Ho an’izay mitandrina ny asany
Ny olona mitandrina ny asan’ny Tompo dia izay mitaiza, mikarakara, manatanteraka asa am-pahamarinana ny natokan’ Andriamanitra ho azy. Tsy manatanteraka amin’ny sitrapony manokana izy, fa mitandrina, manaja, miaro, manatanteraka amim-pahatokiana ary manohy ny asan’ny Tompo amin’ny finoana. Ny olona toy izany dia omen’ny Tompo fahefana manokana, tsy eo amin’ny olony ihany fa hatrany amin’ireo mbola any ivelan’ny vala. Tanteraho tsara àry ny fanompoanao ny Tompo
3-Ho an’izay manana faharetana
Tanterahana amim-paharetana ireo. Mandra-pahatongan’i Jesoa eny amin’ny rahon’ny lanitra. Aina no fetra!
Fanontaniana
Inona avy no fepetra ilaina amin’ny asa fanompoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady