Ny tena fanavaozana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Aprily 2026

Sal 122 / Hira FF11 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487

2 Mpanjaka 23,1 - 8
1 [Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra. 2 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah. 3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena. 4 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony. 5 Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka* ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.[Heb. Mazotoa; izahao Joba xxxviii. 32] 6 Ary ny Aseraha navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka. 7 Ary noravany ny tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta. 8 Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.

Ny tena fanavaozana:

1-Fitarihana ny mpiara-manompo amin’ny tsara

Ny tena mpitarika dia manana vina mazava. Tsy mijanona eo fa mizotra amin’ny fanatanterahana, manangana drafitra mazava, mandrafitra mpiara-miasa, manara-maso avy eo. Mazava ny vinan’i Josia: hitondra fanitsiam-pivavahana. Nahatarika olona ny Mpanjaka, nizotra ho any an-tranon’i Jehovah izy ireo. Mpanjaka mitarika ny vahoakany amin’ny fanompoana no hita eto. Tsy nisy fanavakavahana fa ny rehetra no tarihina amin’ny lalana marina. Isan’ny tsy nanao ambanin-javatra ny fandehanana any amin’ny Tempoly ihany koa Jesoa. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Izy dia mitarika antsika amin’ny lalana tsara, lalana marina.

2 Famakiana sy fampahafantarana ny lalàna

« Ary novakiany teo anatrehany ny rehetra tamin’ny bokin’ny fanekena izy hita tao an-tranon’i Jehovah » (and2). Rehefa hitan’i Hilkia mpisoronabe ny bokin’ny Lalana dia natolony an’i Safana izany(2Mpa22,8). Nampitain’i Safana ny mpanjaka ny vaovao, ary novakiany teo anatrehan’ny mpanjaka izany (2Mpa22,10-11). Sarobidy ny hafatra ao amin’ny boky. Tapa-kevitra ny mpanjaka fa hovakiana an-karihary any an-tranon’i Jehovah io boky io.

3-Fandresena ny sampy sy ny fanompoan-tsampy

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny hafatra i Josia mpanjaka. Nitondra fanavaozana, fanadiovana, fandrodanana izay rehetra mifanohitra amin’ny fanekena.

Fanontaniana

Ahoana no hatao mba handresena ny sampy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fahefana omen’ny Tompo

Alahady, 26 Aprily 2026

Ny fahefana omen’ny Tompo « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko…

Miady ho antsika ny Tompo

Asabotsy, 25 Aprily 2026

Miady ho antsika ny Tompo « Fa Jehovah niady ho an Israely » (and14d) 1-Mampiasa ny zavaboary…

Manankarena amin’ny famindram-po ny ...

Zoma, 24 Aprily 2026

Manankarena amin’ny famindram-po ny Tompo « Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben ‘ny…