Ny mpitory filazantsara mivavaka ho an’ny Mpino

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Oktobra 2026

Sal.100. 1-6 / Hira 28 / Vavaka / Mofoncina / Vavaka / Hira FF24

Romana 1,8 - 17
8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo. 9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho, 10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra. 11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, 12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy. 13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankat? aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra at? aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany. 14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; 15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. 16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]

Ny mpitory filazantsara mivavaka ho an’ny Mpino

1- Mahatsiaro ho ananany trosa

« Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, nyi ndry sy ny tsy hendry, trosa aho » (and. 14)

Any Korinto i Paoly no manoratra ho an’ny Fiangonana tany Roma. Ny Fiangonana tany Roma dia nahitana Jiosy sy Jentilisa tonga kristiana. Nisy olana anefa tao. Nandeha hitory Filazantsara tamin’izy ireo i Paoly satria mahatsiaro fa trosa tsy mbola voaloany tamin’izy ireo izany. Satria nandray Filazantsara maimaim-poana i Paoly dia tokony hizara izany amin’ny hafa. Araka izany, ny olona mahatsiaro ho nandray ny Fiazantsara maimaim-poana dia ananan’ny mpino sy ny tsy mino trosa. Manana trosa fitoriana Filazantsara aminao ny mpino sy ny Jentilisa. Aloavy izany.

2- Mijoro vavolombelona

« Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany » (and. 16)

Teo amin’ny Romana, ny hazofijaliana dia henatra sy mariky ny fahalemena. Izany anefa no Filazantsaran’i Kristy izay hotorian’i Paoly any Roma. Tsy menatra ny hijoro ho vavolombelon’i Kristy izay voahombo tamin’ny hazofijaliana izy. Toy izany koa isika, tsy menatra ny filazantsara, sahy mijoro ho vavolombelon’i Kristy, na dia any amin’ny olona manaraby sy manao tsinotsinona ny Filazantsara aza. Miasa ao amin’ny filazantsara izay toriana amin’ny tsy mino ka mitarika azy ho amin’ny finoana an’i Kristy izany. Koa sahia mitory an’i Kristy ho famonjena ny hafa.

Fanontaniana :

Inona no sakana tsy itorianao Filazantsara amin’ny hafa?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny olom-boafidin’Andriamanitra

Alarobia, 21 Oktobra 2026

Ny olom-boafidin’Andriamanitra 1-Miasa amin’ny fanantenana « Satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana… » (and.10).…

Ny olona mahatsiaro ny tenin’ny Tomp...

Talata, 20 Oktobra 2026

Ny olona mahatsiaro ny tenin’ny Tompo 1- Mahafantatra ny faharatsian’ny olona « …fa efa nilaza taminareo…

Ny olona mpivavaka tsara

Alatsinainy, 19 Oktobra 2026

Ny olona mpivavaka tsara 1- Itenenan’ny Fanahy Masina « Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy tsy…