Ny fahazoana ny Soratra Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Jolay 2026

Sal.57. 7-11 / HF 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 446

Asan'ny Apostoly 8,26 - 40
26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. 27 Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka; 28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany 29 Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. 30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? 31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana] 32 Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy; 33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy *? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany] 34 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy. 36 Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 37 * [* Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra] 38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. 39 Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly. 40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

Ny fahazoana ny Soratra Masina

1-Ilàna mpampianatra

« Fa hoy izy: Hataoko ahoana ny fahay, raha tsy misy mampianatra? » (and. 31). Tenin’ilay tandapa Etiopianina liana tamin’ny famakiana ny Soratra Masina tamin’i Filipo izany. Ka na dia efa nirava avy tao amin’ny Tempoly aza, dia mbola nanohy famakiana ny voalazan’ny Isaia mpaminany hatrany izy. Tsy azony anefa izay voalaza tao raha tsy nohazavain’i Filipo taminy. Araka izany, tsy ny olona rehetra mamaky ny voarakitra ao amin’ny Soratra Masina akory dia mahazo ny tiana hambara sy ampitaina ao anatiny. Ilaina ny mpampianatra sy ny irak’ Andriamanitra manokana hanazava izany. Ny fiheveran-tena ho tsy mila mpampianatra amin’ny famoahan-kevitry ny Soratra Masina dia mitarika ho amin’ny fiviliam-pinoana.

2-Mitarika amin’ny fanoloran-tena

« Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano, dia nataony batisa izy » (and. 38). Rehefa nitory an’i Jesoa tamin’ilay tandapa i Filipo, niainga avy tao amin’ny Soratra Masina, araka ny fangatahan’ilay tandapa, dia nahita rano izy ireo teny an-dalana. Naneho ny fahavononany hatao batisa ilay tandapa, ka dia natao batisa. Rehefa nazava tamin’ilay tandapa ny Soratra Masina dia nanolo-tena hatao batisa izy. Araka izany, tsy maintsy ialohavan’ny fanazavana Soratra Masina ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batisa, izay mariky ny fanoloran-tena. Ary ny olona efa nandre ny Filazantsara ka mino no manolo-tena handray ny Sakramenta.

Fanontaniana:

Ahoana ny momba ireo olona te-handray ny Sakaramenta kanefa tsy te-hihaino sady tsy liana amin’ny Soratra Masina?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mahalala ny sitrapon’Andria...

Zoma, 10 Jolay 2026

Ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra 1- Manaiky hiova hevitra « Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i…

Ny fampihavanana ao amin’i Kristy

Alakamisy, 9 Jolay 2026

Ny fampihavanana ao amin’i Kristy 1- Asan’Andriamanitra « Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, izany…

Ny mpaminan’i Jehovah

Alarobia, 8 Jolay 2026

Ny mpaminan’i Jehovah 1-Manatanteraka ny baikony « Miainga, ka midina hihaona amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely… fa…