Ny mpaminan’i Jehovah
Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Jolay 2026
Sal.97. 1-6/Hira 39/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira 51
1 Mpanjaka 21,17 - 24
17 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Elia Tisbita ka nanao hoe: 18 Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy. 19 Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa. 20 Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah. 21 Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely. 22 Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely. 23 Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela. 24 Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.Ny mpaminan’i Jehovah
1-Manatanteraka ny baikony
« Miainga, ka midina hihaona amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely… fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy » (and. 18).
Nangatahin’i Ahaba mpanjakan’i Isiraely hovidina ny tany lovan’i Nabota teo akaikin’ny lapa. Tsy nanaiky izany i Nabota. Tezitra tamin’i Nabota i Ahaba. Namoronana faratasy fanamelohana azy i Nabota mba ahafahana mamono azy. Maty tokoa i Nabota, nalain’i Ahaba ny tany. Nantsoina i Elia mpaminany hihaona amin’i Ahaba. Satria mpaminan’i Jehovah i Elia, dia nanaiky avy hatrany. Mpankato ny baikon’ Andriamanitra ny mpaminany. Tsy manira-tena akory ny mpaminany fa miandry ny baiko tonga avy amin’Andriamanitra. Ny Fiangonana ny mpaminan’ny firenena ankehitriny. Tsy ny sitrapony akory no ataony fa baikon’i Jesoa Kristy no tsy maintsy tanterahiny.
2-Manambara ny famaizana ny olona
« Ao amin’ny tany izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilefan’ny alika ny ranao, dia ny ranao tokoa » (and. 19)
Nirahin’i Jehovah hanambara ny fahadisoan’i Ahaba tamin’ny namonoany an’i Nabota sy nakany ny tany lovany i Elia. Nambaran’i Elia tamin’i Ahaba izany. Tsy izany ihany, fa nitohy tamin’ny filazana ny famaizana hahazo an’i Ahaba. Tsy nantsoina hilaza fahasoavana na izay mahafinaritra ny mpihaino azy ihany ny impaminany fa nantsoina hanambara ny fahadisoan’ny olona sy famaizan Andriamanitra vokatry ny fahotana vitany. Koa aza tezitra raha manitsy sy mananatra anao ny Fiangonana ka manambara loza vokatry ny fahotan’ny mpitondra.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hanitsiana ny fahadisoan’ny manampahefana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady