Ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Jolay 2026
Sal.91. 1-8/ Hira4/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 26)
Nomery 24,1 - 11
1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny. 2 Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama. 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony 4 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: 5 Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô! 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. 7 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany. 8 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany. 9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao! 10 Dia nirehitra tamin'i Balama ny fahatezeran'i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin'i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao. 11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin'ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.Ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra
1- Manaiky hiova hevitra
« Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy… » (and. 1). Rehefa nahita ny hamaroan’ny Zanak’Isiraely i Balaka mpanjakan’i Moaba, dia nanpiantso an’i Balama mba hanozona ny Zanak’Isiraely. Efa vonona tamin’izany i Balama ka efa naniraka an’i Balaka hanorina alitara sy nampanomana vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy. Nony nahalala ny hevitr’Andriamanitra i Balama dia niala tamin’ny sikidy satria nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra. Araka izany, ny olona nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra ka mahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra dia manaiky hiala amin’ny sampy ka hitodika amin’Andriamanitra.
2- Manao ny sitrapon’ Andriamanitra
« Hanozona ny fahavaloko no niantsoaka anao, kanjo efa nitsodrano azy intelo hianao izao » (and. 10). Teny nataon’i Balaka tamin’i Balama izany. Hanozona ny Zanak’Isiraely tokoa no niantsoana azy, kanjo nitsondrano ny Zanak’Isiraely no nataony. Lasa mpanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra i Balama, ilay nantsoina hitsangana ho fahavalon’ny Zanak Isiraely. Rehefa fantany ny sitrapon’ Andriamanitra dia tonga mpananteraka ny izany izy. Rehefa fantatrao àry ny sitrapon’Andriamanitra, aza misalasala manatatnteraka izany avy hatrany. Mety misy ny fifanarahana mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra nataonao tamin’ny namanao; kanefa rehefa fantatrao ny ankasitrahin’ Andriamanitra, ao amin’i Kristy, dia tanteraho.
Fanontaniana:
Inona no fomba hialana amin’ny fanozonana ny hafa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady