Mpino mahatoky

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Aogositra 2026

Sal.4:1-5 / Hira 151,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 499.3

Eksodosy 31,1 - 1,11
1 [Ny nanendrena an'i Bezalila sy Oholiaba ho lohan'ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda; 3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa: 4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina 5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa. 6 Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao: 7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay. 8 sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra 9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany. 10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona, 11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo. 12 [Ny amin'ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 13 Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. 14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. 15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. 16 Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. 17 Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. 18 [Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra. 1 [Ny nitomboan'ny Zanak'Isiraely, sy ny fahoriana nanjo azy tany Egypta] Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra: 2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda; 3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina; 4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera. 5 Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo. 6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany. 7 Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany. 8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa. 9 Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika; 10 andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany. 11 Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.

Mpino mahatoky

llaina tokoa ny fahaizana amam-pahalalana norantovina ho enti-manatanteraka ny asa fanompoana. Ambonin’izany anefa ny toetra mahatoky mba tsy ho olona mora mivadika na miala an-daharana. Tokony ho hita sy tsapa amin’ny mpino mahatoky amin’ny asany ireto:

1- Antso sy fifidianan’ Andriamanitra:

Hoy ny Tompo: « Indro, efa notononiko anarana Bezalila… » (and.2a). Ny teny fototra (hebreo) ampiasaina eto dia midika hoe: « nantsoiko tamin’ny anarany ». Ny DIEM kosa mandika azy hoe: « nofidiko ». Ny olona mahatsapa fa voaantso sy nofidin’ Andriamanitra no afaka hitoetra ho mahatoky amin’ny asa fanompoany. Zava-dehibe ny ahatakarana fa tsy isika na olombelona no mifidy ny tenantsika, fa Andriamanitra no miantso. Ny olona mahatoky dia manaiky fa avy amin’Andriamanitra ny iraka na asa ampanaovina azy. Jesoa Kristy dia nilaza tamin’ny Ray hoe:  » Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko » (Jao 17. 4b)

2- Fahafenoan’ny Fanahin’Andriamanitra:

Tsy mandeha ila ny antso sy fifidianana fa misy ny hery ilaina hanatanterahana izany asa na iraka izany. Hoy ny Tompo: « Efa nofenoiko Fanahin’ Andriamanitra izy… » (and.3a). Fampitaovana ara-panahy sy fanomezam-pahefana hahatanterahana ny asa no hevitr’izany (fanahy = hery; fahefana fahafahana manefa). Ny Fanahin’Andriamanitra no loharanon’ny fahendrena sy fahalalana hahaizan-javatra. Koa ny olona mahatoky dia olona manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina izay hahatonga azy ho hendry na malina amin’ny zara fanompoany (Matio 10, 16) sy hahavita azy tsara ho = voninahitr’ Andriamanitra. no

Fanontaniana:

Lazao ny fomba nahatsapanao ny antson’ Andriamanitra.

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

mahatoky amin’ny asany ny mpino

Alarobia, 26 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino Tsy atao amin’ny teny sy heverina ao an-tsaina fotsiny ihany…

Toetra takiana amin’ny mpitarika

Talata, 25 Aogositra 2026

« …Fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro » (and.2b) Tsy ny…

Toe-panahy mila hananan’ny mpino

Alatsinainy, 24 Aogositra 2026

Toe-panahy mila ananan’ny mpino I Solomona no nomen’i Davida fitokisana handimby azy amin’ny fanjakany. Izy…