mahatoky amin’ny asany ny mpino

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Aogositra 2026

Sal. 122:1-7 / Hira 531:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 14.3

3 Jaona 1,1 - 8
1 [Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona* mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [* Gr. Ny presbytera] 2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. 4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. 5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, 6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana*; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [* Gr. eklesia] 7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy. 8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.

Mahatoky amin’ny asany ny mpino

Tsy atao amin’ny teny sy heverina ao an-tsaina fotsiny ihany ny fiainana ny finoana, fa aseho ho hita maso. Anisan’izany ny fitiava-namana sy ny fitandroana ny voninahitr’Andriamanitra. Ampianarin’ny Soratra Masina antsika eto araka ity tantaran’i Gaio ity, fa ny mpino mahatoky amin’ny asany dia:

1- Havan’ny olona rehetra

Velona ho an’ny hafa ny mpino, tahaka an’i Jesoa nahafoy ny zavatra rehetra ho antsika. Fomba iray entina hanehoana izany ny fanampiana na fanohanana azy ireny amin’izay ilainy. Tsy ny olona akaiky sy manodidina ny tena ihany no anatanterahana izany fa ireo vahiny sy avy lavitra koa aza (Rom 12.18). Izany no nataon’i Gaio: nandray tsara ireo misionera vahiny. Tsy tamin’ny fivahinianan’ireo iraky ny Fiangonana ihany no nandraisany azy tsara fa rehefa hanainga koa izy ireo dia novatsiany tsara (…mamoaka azy koa araka izay mendrika hatao…, and.6)

2- Manao izany ho voninahitr’Andriamanitra

Hoy ny filazan’i Jaona azy: « …noho ny Anarana no niaingany…koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany… » (and.7a, 8a). Samy nanao ny asan’Andriamanitra na ireo iraky ny Fiangonana na i Gaio izay nandray azy tsara. Asa tsy natao noho ny fitiavan-tena na ho tombontsoa manokana, fa noho ny amin’ny Tompo. Izany tokoa no toe-panahin’ny mpiasa mahatoky, araka ny hafatry ny Apostoly Paoly hoe: « ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona » (Kolosiana 3. 23)

Fanontaniana:

Ahoana no hampiharantsika ireo toetran’i Gaio ireo, amin’ny andro ankehitriny?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Toetra takiana amin’ny mpitarika

Talata, 25 Aogositra 2026

« …Fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro » (and.2b) Tsy ny…

Toe-panahy mila hananan’ny mpino

Alatsinainy, 24 Aogositra 2026

Toe-panahy mila ananan’ny mpino I Solomona no nomen’i Davida fitokisana handimby azy amin’ny fanjakany. Izy…

Ny mpino mahatoky amin’ny asany

Alahady, 23 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino Jesoa Kristy mivavaka no hitantsika eto. Ao anatin’ izany vavaka…