Toetra takiana amin’ny mpitarika
Mofonaina anio: Talata, faha 25 Aogositra 2026
Sal.27.1-3 / Hira 549 : 1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332
Nehemia 7,1 - 3
1 Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita, 2 dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro. 3 Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.« …Fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro » (and.2b)
Tsy ny olon-drehetra no azo omena andraikitra ho mpitarika amin’ny asa goavana, toy ny fitandremana an’i Jerosalema izay vao avy nandaniana fotoana sy hery ary harena tamin’ny fanarenana azy. Tsy maintsy nifantina tsara izay olo-mahatoky hanankinana izany i Nehemia. Ireto no toetra hitany tamin’i Hanany sy Hanania ka nanomezany azy io asa io:
1- Manam-pahendrena
Voalazan’i Nehemia fa izy roalahy ireo dia « …matahotra an’Andriamanitra… ». Ny hoe « matahotra » eto dia manambara fankatoavana sy fanajana lalina an’Andriamanitra. Izany hoe, tsy manao izay tiany fa mitandrina fatratra ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Ohabolana 9, 10 dia manambara an’io fahatahorana an’i Jehovah io ho fiandoham-pahendrena. Noho izany, izay matahotra an’i Jehovah, feno fankatoavana sy fanajana Azy, dia sokajiana ho manam-pahendrena.
2- Miavaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra
Nanantombo kokoa noho ny an’ny vahoaka rehetra ny fahatahoran’izy roalahy an’Andriamanitra (mihoatra noho ny maro), izany no nanomezana azy ireo ity zara fanompoana manokana ity.
Ezaka tokony hataon’ny mpino ny fialana amin’ilay fampiononan-tena hoe: << kristiana tsotra >> ka mba hanezaka hihoatra noho ny sasany, araka ilay fanontaniana napetraky ny Tompo ao amin’ny Matio 5, 47 hoe: « …Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? »
Fanontaniana:
Inona koa ny toe-panahy tokony hananan’ny mpino eo am-panatanterahana ny asa fanompoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady