Miomana handova ny fanjakan’ny lanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Jona 2026
Sal.51,1-5 / Hira. 150 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira. 487
1 Korintiana 6,9 - 11
9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] 10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena]Miomana handova ny fanjakan’ny lanitra
Mampianatra ny Fiangonana i Paoly mba hiorina tsara sy hanana toe-panahy mendrika ny maha kristiana. Mampatsiaro izy fa mila fiomanana ny fandovana ny fiainana mandrakizay. Miomana handova ny fanjakan’ny lanitra isika ka:
1. Diovy ny fitondrantena (And.9,10)
Anisan’ny mampiavaka an’ny Epistily nosoratan’i Paoly ny fahaizany mandahatra ireo toe-tsaina sy toe-piaina mifanaraka amin’ny mahakristiana na ny etika. Manazava tsara ny fifandraisan’ny ataon’ny olona ety an-tany hitsinjovana ny any an-danitra. Mandrakariva dia ireo toetra ratsy raiki-tampisaka efa nahazatra fony mbola tsy nino no mbola entina any amin’ny Fiangonana na hoe fikambanan’ny olom-boaantso. Ny tena andrasana amintsika dia ny fitondratena madio hanomezana voninahitra Ilay Jesoa velona tia antsika. Koa meteza hodiovina sy hafahana amin’ny fomba ratsy rehetra.
2. Mandehana toy ny olona nodiovina (And.11)
Misy ireto teny ireto izay ampiasainy eto voasasa, nohamasinina, nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny Fanahin’ Andriamanitra. Mampahatsiahy ireo dingana nataon’ny Tompo ho antsika izay nandray Azy sy mendrika ny handova ny fanjakan’ny lanitra izany. Hita taratra eto ny foto-kevitra iorenan’ny batisa izay maneho amin’ny fomba hita maso ilay fahasoavana tsy hita maso hananana fanantenana ho amin’ny famonjena sy maha zanak’ Andriamanitra. Ny olona efa nafahana dia tsy te hiverina andevozina intsony. Novonjena isika, madio eo anatrehan’ny Tompo dia mandehana araka izany. Fikiro mafy Jesoa hahazoantsika mitoetra ho voaaro amin’ny fakam-panahy maro samihafa mety mandavo.
Fanontaniana:
Tahaka ny olona mino rehetra ve ny tanjonao, maniry handova fiainana mandrakizay ? Inona ary no tokony hatao ?
Foibe Sampana Sekoly Alahady