Ny fitiavan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Jona 2026

Sal. 106,1-5 / Hira.3 / Vavaka / Mofonaina /Vavaka / Hira.486/1,2,5

Hosea 13,4 - 13
4 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. 5 Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta. 6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy. 7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako. 8 Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy. 9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao. 10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho? 11 Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako. 12 Voafehy ny helok'i Efraima, voatahiry ny fahotany. 13 Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin'ny fiterahan-jaza izy.

Ny fitiavan’Andriamanitra

Izao mofonaina izao dia maneho ny fitiavan’Andriamanitra sy ny haratsian’ny olona. Rehefa nilamina sy nirindra mantsy ny fiainan’ireto zanak’Isiraely ireto dia hadinony fa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo ny nahatonga izany. Manana fahefana amin’ny fiainantsika ny Tompo ka:

1. Tsarovy ny fitiavany (And.4,5)

Eto amin’ireto andininy ireto dia mampahatsiaro ny fanavotana nataony ny zanak’Isiraely ny Tenin’Andriamanitra, ary nanamafy fa tsy nisy ny famonjena azon’izy ireo raha tsy teo ny tanan’Andriamanitra nitsotra, nitondra fanafahana. Zary teotran’ny olona mihitsy indraindray, eny mandrakariva ny manadino izay efa nataon’ny Tompo taminy ka lasa toy ny tsy nisy izany. Fahendrena ho antsika mpino anefa ny mahatsiaro mandrakariva fa lafo vidy eo anatrehan’ny Tompo isika. Nanomboka tany amin’ny fanafahana noho ny fanandevozana samihafa izany ka hatraty amin’ny fanafahan’i Jesoa antsika ho afaka amin’ny fangejan’ny fahotana, tsarovy fa tiany isika.

2. Afaka manasazy ny olony (And.6-8)

Nahatezitra ny Tompo ny nataon’ny zanak Israely satria rehefa nilamina sy nitombo ny fananana sy harena izy ireo dia niavonavona tamin’ny Tompo. Lasa ambanin-javatra Ilay Mpamonjy sy Mpanavotra, ary tena nihen-danja ny fankatoavany an’Andriamanitra. Asehon’ny Tompo sy ampahatsiahiviny eto anefa fa tsy sarotra amin’Andriamanitra ny manafay izay olona minia mivily ho amin’ny fanadinoana Azy. Mahatezitra Tompo ny tsy firaharahiantsika ny famonjeny izay namoizany ny tsara indrindra, dia ny Zanany. ny

Fanontaniana:

Mba mahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanantsika ve isika sa miandry sazy vao hiverina Aminy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mendrika ho mpianatr’i Jeso...

Alakamisy, 18 Jona 2026

Ny olona mendrika ho mpianatr’i Jesoa Paoly, mampianatra ny Kristiana hitondra tena mifanaraka amin’ny maha-mpianatr’i…

Ny olona resy lahatry ny fahefan’i J...

Alarobia, 17 Jona 2026

Ny olona resy lahatry ny fahefan’i Jesoa Tahaka ny fanaony, Jesoa dia nampianatra sy mitondra…

Mampiseho ny fahefany ny Tompo

Talata, 16 Jona 2026

Mampiseho ny fahefany ny Tompo Izao mofonaina izao dia maneho ny fitsaran’ny Tompo ho an’i…