Ny andrasana amin’ny olona nafahana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Jona 2026
Sal.34,1-3 / Hira. 226 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira.446
Deoteronomia 26,1 - 4
1 [Ny fisaorana ho fanao raha manatitra ny fahafolon-karena, ary izay tokony hatao aminy] Ary rehefa tonga ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao, 2 dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin'ny tany, izay alainao avy amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany; 3 dia mankanesa amin'ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razantsika homeny antsika. 4 Dia horaisin'ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao.Ny andrasana amin’ny olona nafahana
Izao mofonaina izao dia fampiomanana izay zavatra tsy maintsy hataon’ny zanak’Isiraely rehefa tonga any amin’ny tany izay nampanantenain’i Jehovah azy irco ho lovany. Tsarovy ny fanafahana nataon’ny Tompo:
1. Atolory Azy izay tsara (And.1,2)
Ho tonga any amin’ny tany nampanantenaina ny Isiraely. Hiverina araka ny tokony ho izy ny fiainana, hanana tany sy fambolena ary fiainana mirindra. Ny toromariky ny Tompo dia hahatsiaro Azy amin’ny fanaterana ny voaloham-bokatra ho Azy. Manamarika izany fa Izy no atao lohalaharana, ary ny tsara indrindra no atolotra, izay rahateo no sitrany. Toe-tsaina tena mendrika ilay Mpanafaka mihitsy ny mahafoy izay tsara ho Azy. Satria tena zava-dehibe ny fanavotany. Aoka ho fiainantsika ny manomana sy manolotra izay tsara ho an’ny Tompo, fa tsy izay sombiny sisa tsy lany, mba ho tahaka an’i Jesoa nanome ny tsara indrindra hanavotany antsika.
2. Mijoroa ho vavolombelona (And.3,4)
Tsy hoe filam-boa tsy àry ny fanomezan’ny Tompo torolalana ho azy ireo raha tonga manolotra izany fanatitra izany, fa hanehoana sy hijoroana vavolombelona eo amin’ny Fiangonana, hanehoana fa tena nanatanteraka ny fanekeny Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny maneho amin’ny fomba hita maso ny faharesen-dahatra anaty fa nanafaka ny Tompo. Tena mariky ny fanoloran-tena sy fijorona vavolombelona ary fanehoam-pitiavana ny fanaovana fanatitra, ary tena sarobidy toy ilay fanatitra tokana teo amin’ny Hazofijalina nanavotana antsika. Atolory ny Tompo tenanao fa izany no fanatitra tsara indrindra. laino ny sitrapony ho vavolombelon’ny fahatsarany.
Fanontaniana:
Tsapantsika mpino nandray an’i Jesoa ve fa olona nafahana isika ka tokony hijoro vavolombelona?
Foibe Sampana Sekoly Alahady