Mila mahatoky amin’ny asany ny mpino

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Aogositra 2026

Sal. 81,1-3 / Hira 2,1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 482. 2

1 Samoela 2,35 - 36
35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy. 36 Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.

Mila mahatoky amin’ny asany ny mpino

Ampahany amin’ny fitsarana an’i Ely sy ny taranany ka nanalana azy tsy ho mpisorona no hita eto. Nanararaotra ny fanatitra ireo zanany fa tsy mba nanaja ny fanompoana Masina. Toa lasa fitaovana ahazoana tombotsoa fotsiny ny Tempoly ka manimba ny fahamasinan’ny fanompoan’ny mpisorona izany.

1. Andriamanitra dia afaka manova drafitra

« Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko. » (and. 35a). Misy ny fanambarana fa hanangana mpisorona mahatoky Andriamanitra, hanao izay ao am-pony sy ao an-tsainy. Milaza ny amin’ny fanavaozana ataon’Andriamanitra izany. Rehefa misy ny lavo, Andriamanitra kosa manangana olona vaovao hanao ny asany. Ny mpisorona mahatoky dia izay mitondra ny tena hafatr Andriamanitra marina ka tsy manova izany. Tsy manao toriteny hitoriana ny tenany izy ary tsy ny fianakaviana, na lova, na toerana no maha mpanompo fa ny fo mankato an’Andriamanitra.

2. Andriamanitra no mampaharitra ny asa fanompoana

« ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay izy. » (and. 35b). Rehefa tian’ Andriamanitra, sady ankasitrahany ny asan’ny olona nofidiny dia tolorany tombom-pahasoavana hatrany amin’ny taranaka mifandimby. Hitohy hatrany amin’ny taranaka any aoriana ny asa fanompoana, ary ataon’Andriamanitra maharitra amin’izany izy ireo. Miseho izany toy izay hita tamin’i Davida, izay tonga aty amin’i Jesoa Kristy ny adidy sy andraikitra araka izay efa nifidianana azy ireo tany aloha. Rehefa mahatoky eo anatrehan’ny Tompo isika, dia tsy miala amintsika ny fifidianany.

Fanontaniana:

Inona no mahatsara na maharatsy ny fanompoana lovain’ny taranaka mifandimby?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mitondra fahendrena

Talata, 4 Aogositra 2026

Mitondra fahendrena 1. Fanajana ny Tenin’Andriamanitra «Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra…

Ny tena mpiasan’Andriamanitra

Alatsinainy, 3 Aogositra 2026

Tsy mora ny asa hosahanin’i Timoty ka notantarain’i Paoly azy ny fiainana nolalovany, ho fampirisihina…

Ny amin’ny olona mahatoky

Alahady, 2 Aogositra 2026

Ny amin’ny olona mahatoky 1. Ilain’Andriamanitra (and. 45) Efa akaiky ny andron’ny Tompo ary aoka…