Maneho ny voninahitr’ Andriamanitra ny Mesia

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Mey 2026

Salamo 19.1-5 / Hira 7 /Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 78

Isaia 11,1 - 5
1 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany; 2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; 3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny; 4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony

Maneho ny voninahitr’ Andriamanitra ny Mesia

Nanjakan’ny fahalovana sy ny fahoriana ny fanjakana Joda noho ny olana ara-politika sy ara-panahy nahazo azy ireo tamin’izany, noho ny mpanjaka izay tsy natahotra an’Andriamanitra. Naminany i Isaia fa hitsimoka ny Mesia haneho ny voninahitr’ Andriamanitra izay:

1- Itoeran’ny fanahin’Andriamanitra

Amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy dia itoeran’ny fanahin’Andriamanitra Izy, ary miteraka toetra mahafinaritra maro ao Aminy izany fanahin’Andriamanitra izany. Mahatonga Azy ho feno fahendrena sy fahazavan-tsaina. Manana ny fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana ary ny fahalalana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra. Isika mpino ihany koa raha tena itoeran’ny Fanahin’ Andriamanitra dia tokony hanana ireo toetra izay nananan’i Kristy ireo.

2- Hitsara amin’ny fahamarinana

Nanjaka ny tsy fahamarinana sy ny fahalovana tamin’izany satria ny mpanjaka mihitsy no tsy nanana fahatahorana an’Andriamanitra. Saro-piaro amin’ny voninahiny sy ny vahokany anefa ilay Andriamanitra Fahamarinana ka dia ho avy ny Mesia, Ilay Fahamarinana; Izy no hitsara araka ny fahamarinana. Ka tsy hitsara ivelany Izy satria mahita sy mamantantra ny fo sy ny voa, fa hitsara araka ny fahamarinana ny malahelo, ary hanome rariny ny mpandefitra amin’ny tany. Amin’ny fitsarany dia hanome rariny ny ampahoriana noho ny tsy fahamarinana Izy. Ny Tompo no hanome anao ny rariny amin’ny fahamarinana amin’ny ady atrehinao.

Fanontaniana:

Mino sy matoky ve ianao fa hanome anao ny rariny araka ny fitsarany amin’ny fahamarinana tokoa ny Tompo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Toe-panahy mendrika ny Filazantsara

Zoma, 15 Mey 2026

Toe-panahy mendrika ny Filazantsara 1- Mikatsaka ny zavatra momba ny any an-danitra Niasa mahery tao…

Ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra

Alakamisy, 14 Mey 2026

Ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra 1- Manokatra ny saina hahalala ny Soratra Masina Efa nilaza…

Resin’i Jesoa ny fakam-panahy

Alarobia, 13 Mey 2026

Alarobia, faha 13 May 2026 Sall19.105-112/Hira171.1.2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 261 Matio 4.1-11 Resin’i Jesoa ny fakam-panahy 1- Afaka…