Toe-panahy mendrika ny Filazantsara
Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Mey 2026
Sal 71.14-19 / Hira 201/Vavaka / Mofonaina /Vavaka / HF 18
Kolosiana 3,1 - 4
1 [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. 2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra et? an-tany. 3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. 4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo.Toe-panahy mendrika ny Filazantsara
1- Mikatsaka ny zavatra momba ny any an-danitra
Niasa mahery tao amin’irco Kolosiana ny Filazantsara ka nahatonga azy ireo hiorina mafy, na teo aza ireo fampianaran-diso izay nanozongozona ny finoan’ny sasany. Eto dia mampahery azy ireo hatrany i Paoly, ary mampitodika azy mba hikatsaka ny zavatra momba ny fiainana mandrakizay, araka izay nambarany hoe: « Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany » (and.2). Tsy hafa izany fa ilay fiainana mandrakizay, any amin’izay itoeran’i Jesoa Kristy eo ankavanan’Andriamanitra. Ilay tanana andrasan’ny Kristiana am-panantenana any an-danitra dia tsara lavitra noho ny fonenana izay iainan’ny Kristiana eto amin’izao tontolo izao. Noho izany dia tsy tokony ho variana amin’izao fiainana mandalo izao ny mpino fa hibanjina ny mandrakizay amin’ny alalan’ny fanoherana sy fisarahana amin’ny fanandevozan’ny filan’ny nofo.
2- Miomana amin’ny fiverenan’i Kristy
Amin’izao andro iainantsika izao dia tsy hita maso ny fanjakan’ Kristy, fa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no iasany sy anatrehany ny mpino eto amin’izao tontolo izao. Fa amin’ny andro farany kosa, raha hiseho amin’ny voninahiny Izy, dia hampiasa ny heriny ka hampanaiky ny olona rehetra sy ny fanapahana rehetra, ary tsy hisy intsony fahefana afaka hanohitra Azy. Amin’izany andro izany dia hiseho ny fahefany amin’ny maha Mpitsara Azy. Ka izay rehetra mino dia hanana anjara amin’ny voninahitr’i Kristy satria izy ireo dia efa niara-natsangana tamin’i Kristy tamin’ny alalan’ny batisa, sady hiara-manam-boninahitra Aminy co an-tanana ankavanan’ny Ray any an-danitra.
Fanontaniana:
Raha ho avy indray i Kristy, inona no antenainao avy Aminy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady