Manaiky ho iraka ny mpino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Jolay 2026
Sal 100 / Hira 307 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 205.1,2
2 Timoty 4,1 - 8
1 Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. 6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.Manaiky ho iraka ny mpino satria:
1- Hampianatra ny teny marina
Andraikitra goavana miandry an’i Timoty co amin’ny iraka nanirahana azy ny mampianatra ny teny, mba hahafahany miady amin’ireo mpanohitra, dia ireo mpiandany amin’ny foto-pampianarana diso sy ireo mpampianantra sandoka. Tsy amin’ny fomba tokana anefa no hanchoana izany fa amin’ny fomba maro, toy ny fandresen-dahatra, fananarana mafy, fampirisihina. Izany hoe iraka maika ka tsy azo anaovana « andraso andraso ». Tsy maintsy atao na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mba handresentsika ny fampianarana hafahafa izay mieli-patrana ankehitriny. Mampianara ny teny marina; aza mihemotra sao hanenenana ny fotoana.
2- Hanohitra ireo fampianaran-diso
Mihamaro sy mihazava-doza hatrany ny firoboroboan’ny fampianaran-diso. Mambabo ny maro tokoa izy ireny, satria toa mifanaraka amin’ny hetahetam-pon’ireo mpanorina azy amin’ny lafiny ara-nofo, satria manome fahafaham-po ho an’ny filan’ny nofo. Mamitaka azy ireo ny anganoangano izay lavitry ny fahamarinana (ny teny marina). Tsy tamin’ny fotoan’andro ihany no nahitana ny toy izany fa mandraka ankehitriny. Manjaka ankehitriny ny fomba fanaon-drazana hanoherana ny Filazantsara. Mila mitandrina isika iraka, mamantatra tsara ny vary sy ny tsimparifary. Herezo àry, tohero ny fampianaran-diso, aoka ho vonona mandrakariva, banjino Jesoa Kristy ilay naniraka mba handresenão ny asan’ny satana.
Fanontaniana:
Mbola manaiky ny teny masina avy amin’ny filazantsara ve ny olona ankehitriny?
Foibe Sampana Sekoly Alahady