Jesoa Kristy irak’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Jolay 2026
Sal 96.8-9 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira164
Matio 9,35 - 38
35 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. 36 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. 37 Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: 38 Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.Jesoa Kristy irak’Andriamanitra
1- Mampianatra sy mitory ny filazantsaran’ny fanjakana
« Ary Jesoa nandeha nitety ny tanana rehetra sy vohitra nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana » Fanaon’i Jesoa ny mampianatra ny mpianany, alohan’ny hanirahina dia nasainy hivavaka amin’Andriamanitra ny mpianany mba ho maro azy ireo amin’ny andraikitra ho sahaniny. Eto amin’ity mofonaina ity vohitra sy tanana rehetra i Jesoa (and36); nahita izay zava-manjo ny no afaka hanao ny asa nataony (and37-38). Nandeha tany amin’ny olona Izy; toy ny ondry tsy misy mpiahy no fijeriny ireo. Ry havana, irahin’ny Tompo isika. Ekeo ny iraka anirahin’ Andriamanitra anao fa fotoana mety izao, aza misalasala, torio ny Filazantsara, fa izany no antom-pisianao eo amin’ny manodidina anao.
2- Manasitrana ny marary.
« Ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra » (and 35). Noho ny fananany fahefana, izay ao Aminy, sady Tompon’ny fahefana rahateo i Jesoa, dia sitrana avokoa ny aretina rehetra sy ny rofy rehetra nentina teo Aminy. Asa miandry antsika mpanara-dia an’i Jesoa Kristy koa ny toy izany, satria hoy ny Teniny hoe: « Izay mino Ahy ny asa ataoko no ataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy ». Maro ny zava-manahirana ny olona teo amin’ny fiainany andavanandro, indrindra ny teo amin’ny fiainany ara-nofo toy ny aretina… Nitady fanasitranana sy fanafahana avy amin’i Jesoa izy ireny. Anjarantsika iraka ankchitriny koa ny manala ny vesatra eo amin’ny olona mba hananany fahafahana amin’izay mamatotra azy. Tsy vita anefa izany raha tsy mangataka ny Fanahy Masina isika.
Fanontaniana:
Ny fandrenesana ny Filazantsara ve dia fahasitranana ho an’ny marary?
Foibe Sampana Sekoly Alahady