Ny niantsoana an’i Ezekiela
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Jolay 2026
Sal 106.1-5/Hira 7/ Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/ Hira 334
Ezekiela 2,1 - 10
1 [Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho. 2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko*, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko] 3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany. 4 Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo. 5 Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy. 6 Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana* sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra] 7 Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy. 8 Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao. 9 Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy. 10 Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.Ny niantsoana an’i Ezekiela
1-Tamin’ny anarana miavaka « ry zanak’olona »
« … Ry zanak’olona, mitsangana fa hiteny aminao aho » (and.1). Izany no anarana fiantson’ Andriamanitra an’i Ezekiela, izay hita miverimberina ato amin’ny boky. Izany hoe tian’Andriamanitra havoitra ny maha olombelona azy na eo aza ny fahitana voarainy. Mifono ao anatin’io anarana io koa ny fahefana avy amin’ny Fanahy, mba hahatanterahany ny asa fanompoana. Nampiasa io anarana io koa i Jesoa rehefa nilaza ny Tenany Izy (Mat 8.20; Mar 2.28; Lio 5.24; Jao 3.13). Izao anarana niantsoana an’i Ezekiela izao dia hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta, sy hanekeny an’Ilay niantso azy ho amin’izao iraka nampanaovina azy izao. Miantso antsika ny Tompo, satria mpanompony isika, meteza hantsoiny amin’ny anarana miavaka, tanteraho am-pifaliana ny asa anirahany anao, homba anao Izy. Mitsangana dia mahereza!
2- Hilaza ny Tenin’i Jehovah
« Izao no lazain’i Jehovah Tompo » (and 4b). Andraikitra napetraka sy nanirahina an’i Ezekiela teo amin’ny vahoakan’ Andriamanitra ny hilaza ny Tenin’i Jehovah. Voalaza fa mafy loha sy maditra tsy laitra tenenina ny vahoaka, sady mafy fo. Nirahina i Ezekiela hilaza ny Tenin’i Jehovah eo anatrehan’izy ireo, na hihaino ny hafatra izy na tsia. Nampitandrina an’i Ezekiela ny Tompo: « Fa hianao kosa ry zanak’olona mihainoa izay lazaiko aminao, aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany hianao, sokafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao » (and 8). Isika mpino no irak’Andriamanitra hilaza ny Teniny. Nofidiany tao anatin’ny maro isika, koa meteza ho iraka mahatoky.
Fanontaniana:
Inona avy no iraka nanirahan’ny Tompo anao, ka tsy tanteraka?
Foibe Sampana Sekoly Alahady