Jesoa mamangy
Mofonaina anio: Zoma, faha 05 Jona 2026
Sal 147.1-6 / Hira 24: 1 / Vavaka / Mofonaina Vavaka / Hira 24: 2, 3
Marka 1,21 - 28
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.JESOA MAMANGY
Ity tantara anjara mofonainatsika ity dia mampianatra antsika fa raha vao i Jesoa no mamangy dia:
1. Mampianatra (and 21)
Raha vao tonga tao Kapernaomy i Jesoa dia tantaraina amintsika eto fa niditra tao amin’ny Synagoga niaraka tamin’izay ka nampianatra. Ny filazana hoe niaraka tamin’izay dia midika fa mahamaika an’i Jesoa ny hitomboantsika amin’ny fahalalana ny Soratra Masina sy ny fahalalana an’Andriamanitra mba tsy hahadiso lalana antsika! Mariho tsara, fa tsy fanasitranana no mandcha mialoha eto na famoahana demonia, fa ny fampianarana hitomboan’ny finoana Azy!
2. Maneho ny fahefany (and 25)
Baiko no nomen’i Jesoa ho an’ny fanahy maloto «Mangina ianao ka mivoaha aminy…»! Abaribarin’izany fa manaiky ny fahefan’i Jesoa na dia ny fanahy maloto aza, ary tsy afaka mandå ny Teniny rahateo! Marina fa misy ny atao hoe tsiambaratelo mesianika ao amin’ny Filazantsara araka ny Marka, ka mahantonga ilay hoe «mangina ianao.», saingy nihasinkasina ny fahefan’i Jesoa ary indrindra indrindra misongadina ny famonjeny! Inona moa izany no tsy hampandrosoana an’i Jesoa sy tsy itokiana Azy feno?
3. Mahatalanjona (and 27)
«…dia gaga ny olona rehetra…» hoy ny Soratra Masina eto ! Tsy ilay lehilahy afaka ihany no nahagaga ny olona fa ny fahefan’i Jesoa ihany koa satria zavata tsy mbola hitan’ny masony, tsy mbola ren’ny sofiny ny zava-mitranga eo anoloany, ary ambonin’izany ny fampianarana nialoha io fanafahana io, dia fampianarana tena misy fahefana, tsy tahaka ny an’ny Mpanora-dalana na ny an’ny fariseo izay nijanona ho resaka fotsiny ihany !
Fanontaniana
Manoloana ireo, ianao manao ahoana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady