Jesoa
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Jona 2026
Sal 145. 1-7 / Hira 146: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 146:2
Romana 11,36 - 36
36 Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.JESOA
«Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony. Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. » (Romana 11:36)
Ampianarin’ny mofonainantsika anio fa i Jesoa no:
1. Fototry ny zavatra rehetra
«Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao… ». I Jesoa no ambara fa loharano nipoiran’izao zavatra hary rehetra izao! (Exitus hoy ny teny latina) Tsy aty amin’ny Testamenta vaovao fotsiny ihany akory fa hatrany amin’ny Gen 1.1 mihitsy dia efa mancho fa tsy miankina amin’ny zava-boahary ny fisiana fa asan’ Andriamanitra madiodio! Noho izany, aoka hitafy fanetren-tena isika, fa isika no toy izao anie ka tsy noho ny amintsika na ny herintsika na ny fahalalantsika na zavatra hafa koa e!
2. Mihazona ny zavatra rehetra
«…ary Izy no mihazona azy… » hoy i Paoly (ordo hoy ny teny latina)! Midika izany fa ny zavatra rehetra día eo an-tanan’i Jesoa avokoa! Ny zavatra rehetra araka izany dia hoe avy taminy fotsiny ihany tsy akory fa mitoetra sy miasa amin’ny alalany ! ny hevitry ny hoe mihazona ihany koa dia hoe amin’ny alalany, izany no maneho fa i Jesoa no mpanalalana (Jao 14. 6)!
3. Anton’ny zavatra rehetra
….sady Izy koa ny antony… >> hoy ihany i Paoly. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia ízao: Kristy no anton’ny zavatra rehetra, ary ny zavatra rehetra dia natao ho voninahitr’Andriamanitra sy hanomezam-boninahitra Azy ihany koa! Fanontaniana ilana valiny ny hoe: ianao amin’ny maha ianao anao, sy ny fiainanao ve manome voninahitra an’Andriamanitra tokoa?
Fanontaniana:
Fanomezam-bononinahitra manao ahoana no sahaza an’i Jesoa araka izany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady