Ho anao manana andraikitra manokana,

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Aprily 2026

Sal 89/ Hira 539 /Vavaka / Mofonaina/ Vavaka /Hira FF3

1 Korintiana 15,24 - 28
24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra. 25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1). 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. 27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy. 28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany*. [* Gr. mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra]

Alatsinainy, faha 20 Aprily 2026

Sal 89/Hira539/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira FF3

1Korintiana 15, 24-28

Ho anao manana andraikitra manokana,

Tsarovy fa:

1-Ho avy ny farany

« Ary rehetra afaka izany, dia avy ny farany… » (1Kor15,24a): Misy fetra ny zavatra rehetra. Voasoratra hoe: »Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra…isika »(and19).. Ilaina ny mibanjina ny ho avy. Mbola hotsaraina isika ary hijinja izay nafafintsika. Raha izany, aleo manompo amin’ny fanetren-tena hatrany.

2-An’ny Tompo ny fahefana rehetra

« Amin’izany dia atolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra sy ny hery rehetra » (and24b): Misy fetrany ny raha jiaby! Eo ambany fifehezan’ny Tompo izao rehetra izao. Mpisandoka fahefana izay milaza azy ho tompon’ny fahefana rehetra. Jesoa dia nomena ny anarana ambony noho ny anarana rehetra, ho amin’ny anaran’i Jesoa no handohalihan’ny lohalika rehetra (Fil2,9-10).

3-Ny Tompo no anton’ny zavatra rehetra

« Mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany » (and 28) lombonantsika ny tenin’i Paoly hoe: « Kristy no antony ahavelomako » (Fil 1,21), Kristy no nahariana ny zavatra rehetra (Jao 1,3). Izay ataon’ny mpino rehetra araka izany dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy, mikendry izay hanomezana voninahitra Azy. Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana, mandidy sy manapaka. Tompon’ny fahefana Izy ary manome antsika fahefana hanongotra, hanjera, handrava, hanorina sy hamboly (Jer 1, 10)

Fanontaniana

Inona avy ireo Mampiavaka an’i Jesoa Mpandresy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny mampiavaka ny olona matoky ny Tom...

Alahady, 19 Aprily 2026

Ny mampiavaka ny olona matoky ny Tompo 1-Mandresy fahavalo « Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao…

Ny mampiavaka ny mpandresy

Asabotsy, 18 Aprily 2026

Ny mampiavaka ny mpandresy 1-Mihaino ny toromarika avy amin’ny Tompo « Ary Davida nanontany tamin’i Jehovah… »…

Ny fiainan’ny Mpandresy

Zoma, 17 Aprily 2026

Ny fiainan’ny mpandresy 1-Mifaly amin’ny herin’Andriamanitra « Jehovah o, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka » (and 1a):…