Fampianarana (Maskila) ao amin’ny Salamo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Novambra 2026

Apo 15. 36, 4 / Hira 194: 1, 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 501: 4,5

Salamo 32,8 - 11
8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. 10 Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po. 11 Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.

Fampianarana (Maskila) ao amin’ny Salamo

Iray amin’ny hira nampiasaina ho fampianarana (Maskila) ny Salamo faha 32. Eo amin’ny and.8 no kihon-dalana lehibe ao anatiny. Ny mofonaina anio dia mampianatra antsika fa rehefa miaiky fahotana (and 5) ka avelan’ Andriamanitra heloka dia:

1. Tarihiny (and 8)

«Hanome saina anao…Aho» hoy i Jehovah eto. Midika izany fa tsy anjely na olona hafa no irahiny. Izy Tompo mihitsy no miditra an-tsehatra. Izy no mampianatra, manolo-tsaina ary mitsinjo. Azo ambara fa mihevitra amin’ny antsipirihan’ny olony tahaka ny ataon’ny mpiandry ondry amin’ny ondriny Izy. Moa ve tsy efa nampianaran’i Jesoa ny mpianany izany? (Lio 12.12)

2. Atorony (and 9)

«Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra…»! Eto kosa tena fitaomana hanana toe-po mahay milefitra, ary afaka manatona azy Tompo. Ny Soavaly sy ampondra dia matanjaka tokoa, saingy tsy ampy faharanitan-tsaina ka tsy mahalala ny tokony hataony fa mitratrevatreva foana. Sarin’ny olona mafy fo izany. Fa ny tian’ny Tompo dia ny manatona Azy amin’ny fitiavana sy fanetren-tena, tsy terena na vozonana.

3. Mahita fifaliana (and 10, 11)

«Mifalia amin’i Jehovah ary miravoravoa…» hoy ny mpanao Salamo. Io fifaliana io dia ateraky ny fahazoana antoka ny hoe «hodidinin’ny famindram-po» (and 10); izány hoe na inona na inona mitranga dia arovan’ny Tompo ny mpanompony. Na misy aza ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy, na mafy aza ireny, ny tana-maherin’ny Tompo no mihazona, hany ka mivoaka amin’ny fitahiana mahatretrika, feno fifaliana sy fahasovana mandrakariva! (Sal 66.12)

Fanontaniana

Manao ahoana ny iainanao ireo voalaza ireo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fiadiana hiatrehana ady

Talata, 17 Novambra 2026

Ny fiadiana hiatrehana ady Mizara roa mazava tsara ny Epistily ho an’ny Efesiana. Ny -3…

Ny Toetran’Andriamanitra

Alatsinainy, 16 Novambra 2026

Ny Toetran’Andriamanitra Ity anjara mofonainantsika ity dia mampianatra antsika fa ny Andriamanitsika dia: 1.Mahita, miditra…

Ny atao mba hananana faharetana

Alahady, 15 Novambra 2026

Ny atao mba hananana faharetana Manoro hevitra an’i Timoty manoloana ireo faharatsiana izay tsy maintsy…