Fahotana eo anatrehan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Mey 2026
Sal 46.1-3 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 461
Jeremia 3,1 - 5
1 Fa hoy Izy*: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.[Na: hoy ny olona] 2 Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany, 3 Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra. 4 Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora? 5 Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.Fahotana eo anatrehan’Andriamanitra
1- Ny fivadihana Aminy:
Ampitahain’ Andriamanitra amin’ny vehivavy janga nandao ny vadiny ny zanak’ Israely eto. Izany no endriky ny fialan’ny zanak’israely tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy nanompoany andriamanitra maro hafa. Ambaran’ Andriamanitra fa fahotana izany; ary mahaloto sy manameloka azy ireo eo anatrehan’Andriamanitra satria dia manambara ny fisarahana sy ny fanapahana fifandraisana Aminy. Halan’Andriamanitra tokoa ny fanompoan-tsampy sy fananana andriamanitra hafa ankoatra Azy. Mahatonga ny fahatezerany sy ny famaizany izany. Eto dia tonga maina ny tany noho ny fisakanan’ Andriamanitra ny orana tokony ho azy ireo, ho valin’ny fahotany eo anatrehan Andriamanitra. Malahelo tokoa Andriamanitra rehefa misaraka Aminy isika, ary azony kapohina mba ho fananarana.
2- Ny fihatsarambelatsihy:
Omen’Andriamanitra tsiny sy melohiny ny zanak’Israely satria mihatsaravelatsihy Aminy, ary toa milaza Azy ho tsy tokony hitahiry fahatezezerana satria Izy no efa nahazatra azy ireo. Ny mampahalahelo dia mitaraina famonjena sy famindrampo ary famelan-keloka izy ireo, kanefa ny fahotany dia tohizany ihany. Ary izany ilay fihatsarambelatsihy halan’Andriamanitra. Tsy avy ao amin’ny fo te hiala amin’ny fahotana ilay fangatahana famindrampo fa an-tendromolotra fotsiny ihany ka tohizana ihany ny fihodinana amín’Andriamanitra. Halan’Andriamanitra nefa ny fampirafesana Azy, araka ny voalaza hoe: « aza manana andriamani-kafa afa-tsy Izaho ihany ». Aoka isika tsy hihatsaravelatsihy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Mbola misy fahotanao eo anatrehan’Andriamanitra ve?
Foibe Sampana Sekoly Alahady