Ny fitondrana an’i Jesoa zaza niakatra tao Jerosalema
Mofonaina anio: Talata, faha 19 Mey 2026
Sal 47. 1-9 / Hira 15 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 248
Lioka 2,22 - 28
22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo 23 araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2) 24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8). 25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. 26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:Ny fitondrana an’i Jesoa zaza niakatra tao Jerosalema
1- Fankatoavana an’Andriamanitra
I Josefa sy Maria dia mpivady natahotra an’Andriamanitra teo amin’ny fomba fiainany. Izany no nifidianan Andriamanitra azy ireo ho raiamandreny ara-nofon’i Jesoa. Nitaiza ny ankohonany ho amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra i Josefa mivady, ka ny nitondrana an’i Jesoa zaza hiakatra tao Jerosalema dia endrika nanehoany ny fankatoavana an’Andriamanitra araka ny lalan’ny Tompo hoe: « Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an’i Jehovah ». (Eks 13.2). Toy izany koa ny nanaterany fanatitra ho an’Andriamanitra araka ny lalan’ny Tompo hoe: « domohina roa na zana-boromailala roa (Lev 12:8). Tokony tsy hisaraka amin’ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra ataontsika ao an-tempoly.
2-Fanehoana ny famonjena amin’ny olona marina
Tamin’ny nitondrana an’i Jesoa hiakatra tao Jerosalema dia nisy lehilahy marina atao hoe Simcona, izay notarihin’ny Fanahy Masina niditra teo an-kianja mba hahita Azy araka izay efa nambara taminy. Dia tanteraka tokoa izany ary faly satria nahita izay nampnantenaina ka hodimandry amin’ny fiadanana, ary dia nidera an’Andriamanitra.
I Simeona no santatry ny olo-marina nahita ny fahatanterahan’ny famonjena entin’ny Mesia ho an’ny olona rehetra. Ny olo-marina no afaka miaina izany famonjena izany, ka izany no iataoman’ny Tompo ny olona rehetra hibebaka mba ho tonga olo-marina, ary hahita izany famonjena izany araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: » izay mitady no hahita ».
Fanontanina:
Tena mankatoa ny Tompo tokoa ve ianao rehefa mivavaka?
Foibe Sampana Sekoly Alahady