Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Jolay 2026
Sal. 107. 1-3/Hira 7/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 2
Jaona 1,35 - 42
35 Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; 36 ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra! 37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy. 38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra? 39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay. 40 Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy. 41 Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy). 42 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*) [*Petera = vato]Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy
1- Fahafantarana Azy
« Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy » (and. 39). Rehefa nahafantatra ny amin’i Jesoa ireo mpianatr’i Jaona roalahy dia naniry hanaraka Azy sady nanontany ny toerana misy Azy. Tamin’izany no niantsonan’i Jesoa azy irco hanaraka Azy, dia nandeha izy roalahy ka nahita ny toerana misy an’i Jesoa sady nitoctra tao Aminy. Raha izany, tsy maintsy ialohavan’ny fahafantarana an’i Jesoa ny faniriana hanaraka Azy. Ary ny olona maniry hanaraka an’i Jesoa no antsoiny hanaraka Azy sy hiara-mitoctra co Aminy. Mitarika ny olona hananana faniriana hanaraka an’i Jesoa ny fahafantarana fa Izy tokoa no Mesia, ary indrindra ny faniriana hiara-mitoetra aminy.
2- Fitaoman’ny hafa
« Dia nitondra azy ho any amin’i Jesoa izy. Ary nony nijery azy Jesoa, dia hoy Izy: Hianao no Simona, (and. 42). Rehefa nahafantatra an’i Jesoa tamin’i Jaona i Andrea dia nampahafantatra Azy kosa tamin’i Simona rahalahiny. Nitondra an’ı Simona teo amin’i Jesoa i Andrea. Ary rehefa tonga teo Aminy dia fantatr’i Jesoa Izy, sady natony hoe Kefasy (na Petera) ny anarany. Midika izany fa neken’i Jesoa ny hahatonga azy ho mpianany. Ny fitarihan’ny hafa ho co amin’i Jesoa dia mahatonga zany olona izany ho olona malazan’ny finoana an’i Jesoa. Ento co amm’i Jesoa ireo rahalahy, namana izay tsy mbola nandre ny amin’i Jesoa mba hahatonga azy ho mpianatr’i Jesoa. Aza mifidy olona fa raisiny avokoa izay tonga eo Aminy.
Fanontaniana:
ha avy ny olona tokony mbola hoentinao amin’i Jesoa? Ary shoana ny fomba hitaomanao azy hanatona an’i Jesoa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady