Ny mpino mahatoky amin’ny asany
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Aogositra 2026
Sal.112.1-6 / Hira 576.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira479.4
Lioka 16,9 - 13
9 Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. 10 Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be. 11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena? 12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? 13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.Ity resaka momba ny « mamôna tsy marina » ity dia mifamatotra amin’ny fanoharana momba ilay mpitandrina (mpitantana) tsy marina etsy ambony (vakio and. 1-8). Tsy harena azo tamin’ny tsy fahamarinana no hevitry ny hoe « mamôna tsy marina » (mamona = harena), fa entina hilazana ny harena eto an-tany izay mety hivadika ho sampy tompoin’ny olona, ka mifanohitra amin’
Andriamanitra. Koa ny mpino mahatoky amin’ny asany dia:
1- Mampiasa amin’ny tsara ny harena eo an-tanany
Tsy ratsy ara-tSoratra Masina ny manan-karena ara-materialy (vola, fananana, sns) fa ny fitantanana azy ho amin’ny fitiavan-tena no miteraka faharatsiana: tonga misongona ny toeran’Andriamanitra, zary fitaovana anaovana tsinontsinona ny tsy manana. Ampiasao hanompoana an’Andriamanitra ny vola aman-karena dia tsy hivadika ho sampy: iantrao ny tsy manana, tsaboy ny marary, ampio ny sahirana, tohano ny Fiangonana Tsarovy ny tantaran’i Zakaiosy (Lioka 19, 8)
2- Mahay-mandanjalanja izay hametrahany ny safidiny
Fomban’Andriamanitra safidy amin’ny mametraka ny olombelona: manoro Izy, fa tsy manery. Ny mpino mahatoky dia tokony hisafidy hanompo an’Andriamanitra fa tsy mamôna. Raha ny fitiavan-karena no mibahana ao am-pon’ny olona, dia efa mamitsaka ao aminy sahady ny karazam-paharatsiana, satria « ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra » (1 Tim 6. 10). Samy nampiasa vola na i Jesoa na i Jodasy, fa ny iray nanaovany adidy (Matio 17, 27) ary ny iray namadihany ny rà marina (Mat 27, 3-5). Lanjalanjao tsara ny safidy, fa tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna isika.
Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba tsy ho voafatotry ny mamôna?
Foibe Sampana Sekoly Alahady