Ny mpanompo mahatoky

Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Aogositra 2026

Sal.31:19-24 / HF:24 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 545 :1

2 Timoty 2,1 - 7
1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

Ny mpanompo mahatoky

Tao anatin’ny vanim-potoana nampirehitra ny fanenjehana ny fivavahana kristiana indrindra no nanoratana ny Epistily faharoa ho an’i Timoty. Mila mpanompo mahatoky ny Tompo hitarika ny Fiangonana eo am-pamakivakiana ny fotoan-tsarotra. Ireto no anisan’ny nanafatrafaran’i Paoly azy:

1- Mitombo hery amin’ny fahasoavana

Ny hoe: « hihahery » (and.1) dia manambara fitomboan-kery mitohy. Arakaraka ny fandrosoan’ny fotoana sy ny vanim-potoana no miha-mahasarotra hatrany ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo. Mila hery mitombo manaraka izany koa ny mpino ankehitriny. Tsy herim-batana na sandry anefa no ambara eto fa herim-panahy, tanja-pinoana izay tsy hita afa-tsy ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany.

2- Mizara fiainana amin’ny hafa

Tsy fananan-tsamirery ny Filazantsara sy ny fiainana aterany. Ilaina ny mitory sy mizara izany amin’ny hafa, eny, amin’izao tontolo izao mihitsy (Marka 16, 15). Azo aseho toy izao: Jesoa Paoly → Timoty →olona mahatoky→ ny sasany. Azo ampiharina miainga ao an-tokantrano izany. Toy ny hoe: Ray aman-dreny→ ireo ankizy →ireo namana… Ohatra nomen’ i Jesoa: nizara « fiainana be dia be >>> (Jaona, 10,10)

3- Manam-paharetana sy fiaretana eo amin’ny asa

Tsy fatiantoka ny fiaretana sy faharetana fa tena fiainana. Hoy i Jesoa: « amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo » (Lioka 21, 19). Tsy misy fandresena raha tsy misy ady (miaramila), tsy misy valisoa raha tsy misy fiezahana (atleta), tsy misy vokatra raha tsy misasatra (mpamboly). Tahaka an’i Jesoà naharitra tamin’ny sitrapon’ny Ray ka niaritra ny hazofijaliana mba hahazoantsika ny famonjena.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao hitomboana hery ara-panahy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mpino mahatoky

Alakamisy, 27 Aogositra 2026

Mpino mahatoky llaina tokoa ny fahaizana amam-pahalalana norantovina ho enti-manatanteraka ny asa fanompoana. Ambonin’izany anefa…

mahatoky amin’ny asany ny mpino

Alarobia, 26 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino Tsy atao amin’ny teny sy heverina ao an-tsaina fotsiny ihany…

Toetra takiana amin’ny mpitarika

Talata, 25 Aogositra 2026

« …Fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro » (and.2b) Tsy ny…