Ny mpino mahatoky amin’ny asany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Aogositra 2026
Sal. 143.1-8 / Hira FF5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 539.4
Lioka 17,1 - 10
1 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany! 2 Aleo anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.[*Na: ahodim-boriky] 3 Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. 4 Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. 5 Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. 6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. 7 Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana? 8 Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao? 9 Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany? 10 Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.« … Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay » (and.10) Ny mpino mahatoky amin’ny asany:
1- Manao izay rehetra nandidiana azy
Feno fankatoavana ny mpino mahatoky ka manao izay rehetra andidiana azy. I Abrahama, rain’ny mino, sy i Jesoa Kristy, fototry ny finoana dia samy naneho io fankatoavana tsy misy fepetra io. Koa ny taranak’i Abrahama amin’ny finoana sy izay rehetra manara-dia an’i Jesoa Kristy (Kristiana) dia tokony hanao toa izany koa, araka ny Tenin’i Jesoa manao hoe: « Fianarana no nomeko anareo » (Jaona 13, 15)
2- Manana fanetrentena
Ny fanetrentenan’ny mpino dia mariky ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Koa na dia vita tsara aza ny adidy rehetra dia tsy mirchareha, fa miaiky hoe: « Mpanompo tsy mahasoa izahay ». Ny fanetrentena tahaka izany dia enti-manambara fa Andriamanitra no tena niasa fa fitaovana ihany ny mpanompony. Tsy miteraka fahambaniana ny fanetrentenan’ny mpino fa mahatonga fisandratana (Jakoba 4, 10)
3-Mahalala ny tokony hatao
« Ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay », manambara fahatsiarovan-tena na fahatsapan-tena izany. Tsy manao zavatra tsy misy antony, fa mahalala ny adidy tokony ho efaina sy ny andraikitra tokony ho raisina. Midika fahononan-tena koa anefa izany ka tsy hisavika izay anjara manandrify ny hafa.
Fanontaniana:
Inona ny didin’Andriamanitra tsaroanao ho sarotra indrindra ny manatanteraka azy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady