Ny olona mankato ny didin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Jolay 2026

Sal.107. 1-7/FFPM 6/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/ Hira 534.1

Josoa 1,12 - 18
12 Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe: 13 Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao. 14 Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo et? an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy, 15 mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo et? an-dafy atsinanan'i Jordana. 16 Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay. 17 Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy. 18 Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.

Ny olona mankato ny didin’Andriamanitra

1- Mankato ny irany

Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay. » (and. 16)

Valin-teny nataon’ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay nomena zara-tany atsinanan’i Jordana, tamin’i Josoa izany. Na dia efa nahazo ny zara-taniny aza izy ireo, dia tsy maintsy miampita ny ony Jordana, miara-miady hahazoana ny tany, izay vao miverina amin’ny zara-tany nomena azy ireo. Nanaiky izany tenin’i Mosesy sy Josoa izany izy ireo. Takin’ny Soratra Masina amin’ny vahoaka ny hankatoavana ny voalazan’ny olona izay nirahiny. Misy ireo fandaminana samihafa ataon’ny irak’ Andriamanitra. Tsy voatery ho mora akory izany, kanefa ankatoavy amin’ny maha iraky ny Tompo azy izany.

2-Manafay ny maditra

« Izay rehetra mandå ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao. » (and. 18).Fanomezan-toky sady fampaherezana an’i Josoa nataon’ny vahoaka izany. Asehon’izy ireo fa vonona izy ireo hankato ny teny lazain’i Josoa ary raha misy mandà ny baiko sy iraka ampanaoviny, dia hofaizina ka atao maty. Fankatoavana ny tenin’ny irak’Andriamanitra hitarika azy ireo hiditra amin’ny tany Kanana no ataon’ny vahoaka. Ny fandavana ny iraka ampanaovin’ny solonten’Andriamanitra, amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra noraisiny dia miteraka famaižana. Ary ny didy lehibe indrindra amin’izany, dia ny tenin’i Kristy. Mariky ny fitiavana an’i Kristy ny fankatoavana ny didiny.

Fanontaniana:

Inona no antony matonga anao handa ny irak Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Jesoa Kristy maniraka ny olony

Asabotsy, 4 Jolay 2026

Jesoa Kristy maniraka ny olony 1- Manome azy ny teniny << Raiso, ka hano avokoa…

Ny olom-boahosotr’i Jehovah

Zoma, 3 Jolay 2026

Ny olom-boahosotr’i Jehovah 1- Araka ny irak’Andriamanitra « Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ny Isiraely…

Ny mpianatr’i Jesoa misedra fanenjeh...

Alakamisy, 2 Jolay 2026

Ny mpianatr’i Jesoa misedra fanenjehana 1-Jesoa Manafaka azy << Fa nisy anjelin’ny Tompo namoha ny…