Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane

Mofonaina anio: Talata, faha 13 Oktobra 2026

Sal 86. 1-10 / Hira 97. 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 98

Matio 26,36 - 46
36 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. 37 Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra. 38 Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko. 39 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. 40 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! 41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. 43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony. 44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany. 45 Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo*; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[*Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?] 46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.

Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane

1. Vavaka anehoana ny fiombonana sy fanohanana

Tao ambanin’ny tendrombohitra Oliva no nisy an’i Getsemane, tao i Jesoa mbamin’ny mpianany no nilasy raha niandry ny fahatongavan’ny Paska. Niombona tao izy ireo tamin’ny alalan’ny vavaka. Nahatsapa i Jesoa fa tena mila namana hanohana Azy am-bavaka, mandritra io fotoana tena sarotra taminy io, ka nangataka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona. «Ary nitondra an’i Petera mbamin’izy roalahy zanak’i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra. Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty, mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko >> (and 37-38). Isika koa mety ho tratran’ny fotoana toy izany eo amin’ny fiainana; aza hadinoina ny fiombonam-bavaka, hanehoana ny fanohanana satria tsara ny roa noho ny iray.

2. Vavaka feno fankatoavana

« … Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao… » (and 39b,42,44). ». Tsy ny hahafaka azy amin’ny fahoriana no tanjony fa ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray. Tokony ho fankatoavana ny sitrapon’ny Ray mandrakariva ny vavaka atao. Aza atao ho tsianjery poakaty fotsiny ilay teny manao hoe «hatao anie ny sitraponao ». Tanteraka ny fandresena teo Kalvary noho ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra (and. 39a, 42, 44). Kanefa dia feno fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra ny vavaka nataony. Rehefa manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia tsy tokony ho taitra amin’izay tranga miseho. Tsy tokony hanakana antsika hanao ny sitrapony ny fahoriana sy ny fijaliana. Fa tokony manangona ny herintsika isika ka maharitra mivavaka.

Fanontaniana:

Mba maharitra amin’ny fivavahana ve ny olona amin’ny sedra mihatra aminy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mivavaha mandrakariva

Alatsinainy, 12 Oktobra 2026

Mivavaha mandrakariva 1. Fa ho avy tampoka ny fotoana Hafatra no nataon’i Jesoa ho an’ny…

Ny faharetana amin’ny vavaka

Alahady, 11 Oktobra 2026

Ny faharetana amin’ny vavaka 1. Omena ny teny fampanantenana Taratasy nosoratan’i Jeremia ho an’ireo Jiosy…

Tia antsika Andriamanitra

Asabotsy, 10 Oktobra 2026

Tia antsika Andriamanitra 1. Mamaly vavaka Izy (and 3) Hoy Davida: « Tamin’ny andro nitarainako dia…