Ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Mey 2026
Sal 100.1-3 / Hira 165 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432
1 Mpanjaka 3,26 - 28
26 Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy. 27 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny. 28 Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.Ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra
1-Mahafantatra ny marina
Rehefa samy nilaza ho renin’ny zaza hany sisa velona ireto vehivavy roa teo anatrehan’ny mpanjaka Solomona dia notoloran’ Andriamanitra saina ny mpanjaka hahafahany mamantatra ny marina. Hoy izy. Zarao roa ny zaza! Tsy nanaiky ilay tena renin’ny zaza velona ny hanaovana izany, satria mamono ny zanany koa izany, ary maharary ny ainy. Izany no nahafantaran’ny mpanjaka fa azy tokoa ilay zaza velona. Isika koa raha manana ny fahendrena avy amin » Andriamanitra dia tsy azon’ny olona fitahina satria omen’Andriamanitra ny Fanahin’ny faharanitan-tsaina izay mifamatotra amin’ny fahendrena.
2-Mitondra vahaolana ho an’ny fiaraha-monina
Olana goavana nihatra aman’aina tokoa ity natrehana ity satria saika hiafara tamin’ny fandrasana ilay zaza ho roa. Tsy nijanona ho an’i Solomona irery ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy fa nitondra vahaolana teto amin’ity ady zaza velona ity. Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia tsy natao ny ho famenoana saina fotsiny na fitandremana ny fitondrantena tsy hivaona amin’ny sitrapon’Andriamanitra, fa omen’Andriamanitra koa izany mba hoentina hitondra vahaolana sy hanasoavana ny mpiara-belona, toy izay nataon’i Solomona mpanjaka teto. Ny Fanahy Masina dia manome fahendrena sy tolo-tsaina ho antsika. Koa aza fihinina hanasoavana ny fiainanao irery izany, fa ento mba hanasoavana sy hitondrana vahaolana ho an’ny fiarahamonina misy anao ihany koa. Azo angatahina amin’ny Tompo izany fahendrena izany.
Fanontaniana:
Zava-dehibe aminao ve ny fananana fahendrena? Angataho ary mba ho anao sy ny ankohonanao.
Foibe Sampana Sekoly Alahady