Ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Septambra 2026

Sal 33 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 168

Asan'ny Apostoly 3,1 - 10
1 [Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. 2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly; 3 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. 4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. 5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. 6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. 7 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. 8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. 9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra. 10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.

Ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta

1-Anarana miavaka

« Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta… » (and.6). Ilaina ny manonona mazava ny anaran’i Jesoa. Tany amin’ny Testamenta Taloha dia ny anaran’i Jehovah no notononin’i olom-boafidin’ Andriamanitra rehefa hiatrika fahavalo goavana izy ireo. Aty amin’ny Fanekena Vaovao dia ny anaran’i Jesoa no notononin’ireo mpanompony hiatrehany ady sarotra. Anarana miavaka, Anarana mampandresy, Anarana misy fahefana ny anaran’ny Tompontsika.

2- Anarana manasitrana

« …Dia natanjaka niaraka tamin ‘izay ny tongony sy ny kitrokeliny. ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangatsangana… » (and7-8). Rehefa notononina tamin’ilay lehilahy malemy ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta dia niova ny fiainany, sitrana izy. Maro tsy voatanisa ny fahasitranana azo noho ny anaran’i Jesoa.

3- Anarana mahagaga

Efa hatrany amin’ny Testamenta Taloha dia voasoratra fa: « ….Ary ny anarany atao hoe: « Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery… » (Isa 9,5). Noho ny anarany dia afaka mandova fiainana mandrakizay isika, afaka manompo sy miasa amin’ny finoana ho Azy.

Fanontaniana

Ahoana no nahasitrana ilay lehilahy malemy tongotra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny olona miasa amin’ny finoana

Alahady, 20 Septambra 2026

Ny olona miasa amin’ny finoana 1- Mamafy araka ny fahamarinana « Mamafaza ho anareo araka ny…

Jesoa Kristy Tompo

Asabotsy, 19 Septambra 2026

Jesoa Kristy Tompo 1- Miasa tsy tapaka « Isika tsy maintsy maintsy manao ny asan’ izay…

Ny Olona tomponandraikitra

Zoma, 18 Septambra 2026

Ny Olona tomponandraikitra 1- Efa nomanin’ny Tompo ny sehatra ho azy Napetraky ny Tompo tao…