Ny Olona tomponandraikitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 18 Septambra 2026
Sal 24/Hira 23 /Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira 548
Genesisy 2,8 - 15
8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10 Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: 11 Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; 12 ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. 13 Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. 14 Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. 15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.Ny Olona tomponandraikitra
1- Efa nomanin’ny Tompo ny sehatra ho azy
Napetraky ny Tompo tao amin’ny saha Edena ralehilahy ary efa nomaniny tao avokoa ireo izay ilaina ahafahany mivelona sy miaina tsara; toy ny hazo, ony, ny harena ambanin’ny tany… Anjaran’ny olona ny manabe voho ireny voahary izay efa nomanin’ny Tompo ireny. Toerana tsara, mahate-honina, lavorary no nomanin’ny Tompo ho antsika. Manana adidy amin’ny fikarakarana izany isika.
2- Miasa amin’ny finoana
« Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy » (and 15): Asa ho fanatanterahana ny baikon’ny Tompo. Asa fikolokoloana ny tontolo. Fikasan’ny Tompontsika ny fanabeazam-boho ny tany. Ny fanatanterahana izany dia tena mariky ny fankatoavana sy fanajana Azy. Jesoa dia nanao fanoharana momba ny mpamafy sy ny tany tsara. Nankasitrahany ihany koa ny fampitomboana ny talenta nomeny. Tanterahana am-pitiavana, amin’ny finoana izany ho voninahiny.
3- Mitandrina tsara
Tsara ny miasa ny saha. Tsara kokoa raha arahana fikolokoloana sy fiarovana ary fanohizana izany mba hamokatra tsara sy betsaka, ary hamokatra tsy tapaka fa mitohy hatrany.
Fanontaniana
Inona ny baikon’ny Tompo ho an’ny tomponandraikitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady