Jesoa Kristy Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Septambra 2026
Sal 108 / Hira 545 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 547
Jaona 9,1 - 12
1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. 2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? 3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. 4 Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. 5 Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. 6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba. 7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. 8 Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka? 9 Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy. 10 Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao? 11 Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra. 12 Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.Jesoa Kristy Tompo
1- Miasa tsy tapaka
« Isika tsy maintsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy raha imbola atoandro » (and 4a). Mitantara ireo dingana nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy teraka jamba ity perikopa ity. Mitondra fahazavan-tsaina i Jesoa. Tsy mety ny mitady hirika hanome tsiny olona fotsiny fa vahaolana no tadiavina. Finoana arahana asa no ilaina, izany hoe mila miasa tsy tapaka isanandro isanandro, ankoatry ny andro natokana hitsaharana sy hanatanterahana fanompoana manokana.
2- Miasa hitondra fahazavana vaovao
« Raha amin’izao tontolo izao aho dia fahazavan’izao tontolo izao » (and5): Mampahatsiaro ny asa fahariana vaovao hatrany am-piandohana i Jesoa. Toy izany koa ny fampiasana feta, izay dingana amin’ny faharina vaovao. Manana andraikitra hitondra fahazavana vaovao i Jesoa. Hanala ny olona amin’ny aizin’ny fahajambana amin’ny endriny rehetra. Mitondra fanantenana vaovao Izy.
3- Mibaiko ny olona hankato amim-pinoana
« Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama » (and7). Tsy nisalasala mihitsy ilay Jamba. Tsy nametraka fanontaniana tamin’i Jesoa akory izy. « Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra » (and7b). Tena zava-dehibe ny fankatoavana am-pinoana ny baikon’i Jesoa.
Fanontaniana
Inona ny asa amin’ny finoana nataon’ilay Jamba?
Foibe Sampana Sekoly Alahady
Foibe Sampana Sekoly Alahady